Politique

Governemanta Mahafaly Hanohy ny hadalany


  • Zoma 03 Febroary 2017

Malaina hanova governemanta ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina.

 

Aminy dia tsy misy mahamaika ny amin’izany. Nohamafisiny io taorian’ny namonjeny ny fivorian’ny Vondrona Afrikana tany Addis Abeba ny fiandohan’ny herinandro teo. Ny mpanao gazety hatrany moa no tondroiny ho mahita volana mialoha an’i Biby raha mametra-panontaniana aminy momba io governemanta io. Mazava izany fa tsy mampiraika ny filoha ireny tatitra nataon’ny Transparency International mikasika ny kolikoly eto Madagasikara, izay mihamahazo vahana ireny. Nihemotra ny laharan’i Madagasikara. Havela hanohy ny tsy fahombiazany izany io governemanta Solonandrasana Mahafaly Olivier io. Hijanona tsy hisy lohany eo ihany koa ny minisiteran’ny angovo, izay banga nanomboka ny 20 aogositra 2016 ny toeran’ny minisitra taorian’ny nahafatesan’ny minisitra Ramanantsoa Rodolphe. Dia hiankina amin’olona lava eo koa ve ministeran’ny Atitany ? Ampirafesina amin’ny asan’ny praiminisitra ny andraikitry ny minisitry ny Atitany hatramin’ny aprily 2016 nijoroan’io governemanta Mahafaly Olivier io. Hita ho miantraika amin’ny fandehanan-draharaha ankapoben’ny minisiteran’ny filaminana anatiny ihany koa ny olana ara-pahasalaman’ny minisitra tompon’andraikitra. Misy moa minisitera tsy re sy tsy fantatry olona ny fisiany sy ny asa aman-draikiny raha tsy hiteny afa-tsy ny sekretariam-panjakana misahana ny ranomasina. Sao mba fandaniam-bola fotsiny ny namoronana azy.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fialan’ny Minisitry
  • Alarobia 04 Novambra 2026

ny MNDPT

  • Alain Mahavimbina
  • Alarobia 04 Novambra 2026

«Firenena manana politika

  • Governemanta
  • Alarobia 04 Novambra 2026

Niala ny Minisitry ny

  • Fakan-kevitra
  • Alarobia 04 Novambra 2026

momba ny fifidianana Havoaka ofisialy

  • Vita ny
  • Talata 03 Novambra 2026

fanomanana ny Fikaonandoham-pirenena

  • FENO HERINTAONA
  • Talata 03 Novambra 2026

NY FANAVAOZANA

Hijery ny tohiny
FTT