Politique

Governemanta Kolo Roger Ny olony aloha ?


  • Alakamisy 17 Aprily 2014

Nandray ny toerana sy fahefana feno maha Praiminisitra azy i Kolo Roger taorian’ny famindram-pahefana teo aminy sy ny praiminisitry ny tetezamita Beriziky Jean Omer teny Mahazoarivo omaly, teo anatrehan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.

 Ny fananganana ny governemanta no dingana manaraka, izay antoky ny famafana ny sazin’i Madagasikara sy ny fiverenan’ny fiaraha-miasa amin’ny any ivelany ary koa ny famatsiam-bola. Ho governemantan’ny firaisam-pirenena sady demokratika izy io raha ny nambaran’ny praiminisitra ary hijoro hatramin’ny zoma rahampitso. Nambarany fa misokatra amin’ireo vonona hiaraka hiasa sy manana vina hampandroso an’i Madagasikara izy. Mety hisy iray na roa amin’ireo minisitra taloha ho ao anatin’ny governemantany.

Tsy nanambara ny firafitra sy ny mety ho isan’ny mpikambana ao anatin’ny governemanta izy. Loharanom-baovao samihafa anefa no milaza fa hametraka ny olony i Kolo Roger. Voatonona ao anatin’izany i Rachid Mohamed, izay mety ho minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany. Talen’ny fampielezan-kevitr’i Kolo Roger i Rachid Mohamed raha tsy nosakanan’ny CES hirotsaka ho kandida filoham-pirenena izy. Mpanolotsain’i Hery Rajaonarimampianina ankehitriny izy, ary nisy nanolotra ho kandida praiminisitra farany teo.

Re fa mety ho minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina koa ny filohan’ny federasionan’ny kitra Malagasy, Ahmad. Hita matetika misolotena an’i Kolo Roger tamin’ireo fivoriana politika faramparany nialoha ny fanendrena praiminisitra i Ahmad. Samy zanak’i Boeny izy sy Rachid Mohamed. Araka ny loharanom-baovao hatrany dia mety ho anisan’ireo minisitra tao anatin’ny tetezamita hiditra ao anatin’ny governemanta Kolo Roger i Ramanantsoa Benjamina Ramarcel (MTS), Andriantiana Ulrich (MDM), Rakotomamonjy Jean Max (Leader Fanilo), Ndahimananjara Johanita (AVI).

Misy mivoy ihany koa hatry ny omaly fa i Raharisoa Johasy Eléonore (UDR-C) minisitry ny tanora sy ny alavoly tamin’ny FAT no ho minisitry ny serasera, raha i Franck Ramarosaona no  mahazo ny fon’ny mpanao gazety maro miasa amin’ity sehatra ity. Andrasana, araka izany, ny fahaterahan’io governemanta io lazaina fa hanao fahagagana hitondra fampandrosoana hipaka isam-baravarana io.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT