Raha nametraka ireo mpikamban’ny governemanta ny filoha Andry Rajoelina ny 24 janoary 2019 dia naneho ny hisiana tombana afaka herintaona hahitana izay nahomby sy tsy namely. Tonga ny herintaona,
dia iny tokoa fa nisy ny nesorina. Nambara tao anatin’ny filankevitry ny minisitra voalohany ny takarivan’ny 29 janoary ihany, fa mbola manan-kery ny tomban’ezaka fanao, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Atao herintaona foana ve izany ny raharaham-pirenena ? Io governemanta io tsy misy resaka 100 andro fa tena mila vokatra mivaingana satria efa nanana herintaona nitsapatsapana izao fitondrana izao. Hatraiza no mety ho fahamahan’ny minisitry ny fampianarana ambony ny olan’ny anjerimanontolo satria efa olana lalim-paka an-taonany ? Vatsim-pianarana, toeram-ponenana, olan’ny mpampianatra mpikaroka,… Manampahaizana be ny minisitry ny raharaham-bahiny saingy tsy zon’olombelona (droits de l’Hommes) ihany no atao hoe raharaha iraisam-pirenena (Affaires internationales). Tena hahafehy ny tambajotra ara-diplomatika ve izy manoloana ny kasikety efa nahafantarana ny mpitondra ankehitriny am-polony taona, ny rafi-piodina sy fifandraisana ao anatin’ny Firenena Mikambana (système ONUSIEN), Kaonsilera, ny fifandraisana amina firenena roa na amina maro (Bilatéral et Multilatéral), ny fiodina ara-pitantanana na anatiny na iraisam-pirenena ? Tena ho vitany ve ny famerenana ny Nosy Eparses ao anatin’ny 4 volana izay nampanantenain’ny filoha fa ny 26 jona 2020 no tokony hazava ny resaka ? Manana fahaizana sy vahaolana manokana amin'ny krizy ara-pahasalamana iraisam-pirenena (Crise sanitaire mondiale) ve ny minisitry ny fahasalamana fa izany izao no ady goavana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, toy io viriosy mandripaka any Chine io ? Ny minisitry ny mponina, inona no zava-bita no mbola tafaverina ihany ? Ny filoha te hanao zavatra mafy sy hitondra fanovana, saingy mafy ny ady, ary mety ho isan’ny olana ireo olona manolotsaina azy ao an-dapa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.