Politique

Governemanta Hisy minisitra hosoloina?


  • Zoma 22 Jolay 2016

Telo volana nijoroana izao ny governemanta Mahafaly Olivier. Lany andro mandrehitra sy mamono afo, sahiran-dava ara-bola. Izay no hita hatreto.

Teny ampiandohan’ny fandraisany an-tanana ny governemanta dia nanambara tamin’ny teny frantsay ny praiminisitra Solonandrasana Mahafaly Olivier fa “Governement de combat” io entiny io, hiady amin’ny fahantrana, hiady amin’ny asan-dahalo, hiady amin’ny kolikoly, hiady amin’ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena... Ary hisy ny tombana hataony amin’ireo minisitra ao anatin’ny governemantany afaka telo volana. Tonga ity ny fotoana, hitazona ny teniny sa mbola hiandry ny fahataperan’ny fe-potoana hampiharana ilay fomba fiasa ahazoana vokatra haingana anatin’ny na ilay RRI andiany fahatelo vao hiroso amin’ny tombana, ny praiminisitra Mahafaly Olivier na dia efa iaraha-mahita io aza ny zava-misy vokatry ny asan’ny governemanta, raha tsy hiresaka afa-tsy ny amin’ilay fehezan-dalàna hifehy ny serasera eto Madagasikara mampifanolana ny fanjakana sy ny mpampahalala vaovao amin’ny ankapobeny ary ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny tontolon’ny serasera mivondrona ao anatin’ny fikambanana GEPIMM. Eo koa ny savorovoro ateraky ny fanomezan-dalana orinasa sinoa hitrandraka volamena amin’ny alan-tapia arovana eny Soamahamanina, nataon’izao fitondrana izao, nefa vao ny desambra 2015 tany Paris no nifanaraka tamin’izao tontolo izao i Madagasikara fa hiaro ny tontolo iainana. Velon-taraina fatratra ireo tanora Malagasy nalefan’ireo orinasa mpandefa mpiasa hiasa any Hong-Kong, noho ny fanararaotana sy antsojay ataon’ireo Sinoa mpijirika, izay mitsikombakomba amina tompon’andraikitra Malagasy, manery ireo mpiasa Malagasy ireo handoa vola karama valo volana raha tsy izany dia sandohana ho nangala-bola ka voataritarika any amin’ny fitsarana. Ny eo amin’ny sehatry ny fampianarana moa dia io vaky vava io ireo mpampianatra amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanilikilihana atao azy ireo, na amin’ny fisitrahana tombontsoa izany na fanofanana, ka mila hampivoady azy ireo.


Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT