Manao ranolava ary vao mainka mihamafy aza ny fitakian’ireo ankolafy politika nanao sonia ny tondrozotra amin’ny hanoloana ny minisitra natolotr’izy ireo ao anaty governemantan’ny firaisam-pirenena.
Mitaky ny hanoloana ny minisitry ny harena ankibon’ny tany, Randriafeno Daniela, ny TGV. Misy ny olona mahavita izany andraikitra izany rehefa tsy mahatontosa ny iraka ampanaovina azy ny eo, hoy i Lanto Rakotomavo, Sekretera nasionalin’ity fikambanana politika ity. Volana vitsy lasa izay no fantatra fa efa nandefa taratasy any Ambohitsorohitra mitaky ny hanesorana ny minisitry ny fanatanjahantena, Botralahy Gérard, natolony ny Monima. Vao ny talata 18 septambra teo koa ny ankolafy Ravalomanana no nandefa taratasy any amin’i Andry Rajoelina, hanafoana ny fanendrena ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana, ka nanolotra an’i Guy Rivo Randrianarisoa hiandraikitra io ministera efa nankinina amin’ny ankolafy Ravalomanana io ny fitantanana azy. Olona tsy vahiny amin’izany ministera izany rahateo i Guy Rivo satria efa Tale jeneraly tao izy, tamin’ny governemanta farany notarihin’ny jeneraly Rabemananjara Charles.
Hiditra
Re koa izao fa dia efa mandehandeha any ny anaran’olona hatao minisitra avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Ity farany izay nilaza hatreo am-pananganana ny governemanta Beriziky fa tsy manana olona ao anatin’izany governemanta izany, na dia fantatra aza fa nivoaka avy ao amin’io ankolafy io ry Tabera Randriamanantsoa (Asam-panjakana, asa ary lalàna sosialy), Marcel Bernard (Solika), Dr Joseph Randriamiandrisoa (Tontolo iainana sy ala), Manoro Régis (Fanabeazam-pirenena) ary Manoriky Sylvain (Jono sy ny harena an-dranoamasina). Ankehitriny izany dia tapa-kevitra ny hiditra ao anaty governemanta ny ankolafy Zafy miaraka amin’ny olom-baovao ankoatra ny efa nanolorany ny Praiminisitra Beriziky Jean Omer.
Ankoatra ireo dia misy siosion-dresaka mandeha fa vonona hanao sonia ny tondrozotra ny ankolafy Ratsiraka raha omena azy ny toeran’ny Praiminisitra. Anaram-behivavy vadina jeneraly ary mampianatra amin’ny oniversite izany no toa hoe aroson’ity ankolafy hany tsy nanao sonia ny tondrozotra ity, tamin’ireo nivory tany Gaborone (Botswana) tamin’ny jona 2011. Ny lojikan’ireo dia manamafy ny rehetra fa iny tondrozotra voasonia tamin’ny 17 septambra 2011 iny no lalana hamoahana an’i Madagasikara amin’izao krizy izao. Tsy azo hihodivirana kosa ny fandrafetana indray ny governemantan’ny firaisam-pirenena, mba tsy hisy voailika fa samy handray anjara avokoa. Raha lalao ara-panatanjahantena iombonana ity dia hiditra amin’ny fidirana raharoa na “2e mi-temps” ny lalao. Toa efa mamofompofona izany ny tranga omaly, satria dia minisitra vitsy ihany no nantsoina hiatrika ny filankevitry ny minisitra notarihin’i Andry Rajoelina. Koa mipetraka eto ny fanontaniana hoe, laharam-pahamehana ve ny mbola handehanan’ity farany hamonjy ny fihaonamben’ny Firenena Mikambana any New York, satria misy hamehana ihany raha izao fahitana azy izao, eo rahateo ny tsy fandriampahalemana mahazo vahana saika manerana ny Nosy ankehitriny io.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.