Miala any indray ny governemantan`ny fandaniana sy ny fihetsiketsehana. Hisy indray mantsy ny fanaovana tombana na Team Building hotanterahina any Mantasoa ny 13 sy 14 febroary ho avy izao ka hanao ny fandaniana mihoapampana indray ny mpitondra fanjakana ahafahana mikarakara ny hetsika.
Tanjona ny hanamafy ny firaisankina eo anivon`ny fitondram-panjakana ka hivory sy hiala sasatra kely ny filoham-pirenena sy ny governemanta Mahafaly. Hihaona ny mpikambana ao amin`ny governemanta miisa 39 izay samy manana ny staff avokoa ary tsy hohadinoina koa ny filoham-pirenena sy ny ekipany. Hirantiranty ireo fiara tsy mataho-dalana toy ny V8 izay tsy maintsy hiantohana solika amin`ny fivezivezena. Tsy hay hadinoina ihany koa fa tsy maintsy misy ny pitsopitsony rehefa mikarakara fivoriana arahina lanonana toy izao. Mametra-panotaniana tokoa izany satria 95%-n`ny Malagasy ankehitriny no tafalatsaka tanteraka ao anaty fahantrana. Ny mpitondra anefa dia tsy tahotra tsy henatra manohy mangalatra ny harem-pirenena sy volam-bahoaka ary milomano tanteraka ao anaty fiadanana be sy harembe. Etsy an-daniny dia mametra-panontaniana ny maro ny hoe aiza no ahitana sakafo anio sy ny ampitso ? Mahantra ny Firenena ary nampahantraina tanteraka ny vahoaka. Aiza ho aiza ny politikan`ny fitsitsiana eo anivon`ny kitapom-bolam-panjakana mba tsy hisian`ny gaboraraka sy ny fandanim-poana ? Mifanohitra an`izany ny fomba amam-panao ny fitondrana HVM fa dia manao fandaniana be amin`ny haitraitra sy ny fihetsiketsehana maro amin`ny volam-bahoaka. Ity fitondrana HVM rahateo dia manaraka tendance satria amin`izao hakatoky ny fetin`ny Mpifankatia izao dia mba hiara hankalaza St Valentin angamba ny fitondrana! Mila malina e
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.