Politique

Governemanta Hametra-pialana faobe ireo minisitra ?


  • Alakamisy 07 Aprily 2016

Mitodika eny Mahazoarivo ny mason’ny mpanara-baovao manomboka anio.

 

 Nandeha mantsy ny feo nanomboka ny fiandohan’ny herinandro teo fa andrasana hatramin’ity alakamisy ity ny fametraham-pialana an-kitsim-po hataon’ny praiminisitra Jean Ravelonarivo. Raha zohina tamin’ny fanambaran’ity farany omaly anefa dia tsy hisy izany fametraham-pialana amin’ny nahim-po izany raha avy aminy. Mbola nampiany aza fa manga ny fiaraha-miasa eo aminy praiminisitra sy ny filohan’ny Repoblika. Mbola nisy rahateo ny Filankevitry ny minisitra omaly, nanendrena ny Tale vaovaon’ny HJRA Ampefiloha. Inona ary no hitranga manomboka eto ? Fanontaniana nilam-baliny hatry ny omaly io, indrindra manoloana ireto fivezivezena andiana solombavambahoaka tato anatin’ny 48 ora, na mbola afaka iray volana any vao hisokatra ny fivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimieram-pirenana.

Mivorivory ny depiote

Nisy andiana depiote HVM nivoaka sy niditra tamin’ny hotely iray etsy akaikin’ny CEG Antanimena ny talata teo. Omaly indray dia teny Tsimbazaza sy Mahazoarivo teny no nahitana andiana depiote nivezivezy. Tao anatin’izany no andrenesana fa hanao fametraham-pialana faobe ireo minisitra ao anaty governemanta rehefa tsy hiala an-tsitrapo ny praiminisitra, ary dia hihanjahanja eo Ravelonarivo Jean. Manaraka an’izay dia hantsoina hivory tsy ara-potoana ireo depiote hamoaka anarana praiminisitra efa nifampidinihana. Re tamina mpikambana ao amin’ny Birao maharitry ny Antenimieram-pirenena teny Tsimbazaza rahateo omaly fa efa nomena toromarika ireo depiote nandalo teny an-toerana mba tsy dia hiala lavitra an’Antananarivo intsony.

Fanambazana 4X4

Etsy an-kilany anefa tsy mipetra-potsiny koa ny ekipan’i Mahazoarivo. Nisy olon’ny praiminisitra Ravelonarivo tazana teny Tsimbazaza omaly, mifampiresaka sy mifandamina amina andiana depiote. Tao anatin’izany koa andrenesana fa dia miverina indray ny resaka 4x4, efa notakian’ny depiote hatramin’ny 2014, fa nolavin-dRajaonarimampianina marindrano ny hanomezana izany an’ireo depiote. Misy ve ny fanambazana 4x4 ? Dia inona no takalony ? Mihazakazaka ny toe-draharaha, ifandroritana indray ireo depiote. Inona no hitranga eny anivon’ny andrimpanjakana ? Ety ivelany, ny mpamakafaka politika dia mahita fa arakaraka ny mampitarazoka ny fandraisan’ny filoha fanapahan-kevitra no maha takalon’aina ny fiainam-pirenena ka mety hitarina indray any amin’ny fanonganam-panjakana.


Jean D

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT