Efa tsapa hatrany am-boalohany fa hafahafa be ihany ny fomba fiasa ao anatin'ny governemanta Beriziky noho ny fisian'ny fifanandrinana ara-poto-kevitra eo amin'ny samy minisitra.
Amin'ny ankapobeny mantsy dia misy sokajy roa ireo minisitra, dia eo ny miara-dia sy manohana an'i Andry Rajoelina dia ny minisitra avy amin'ny UDR C sy ny TGV ary eo kosa ireo mpanohitra ny FAT dia ireo minisitra avy amin'ny ankolafy Zafy sy Ravalomanana. Koa araka ny tsiliantsofina re ary, dia henjankenjana hatrany ny adihevitra sy ny fifampiresahana isaky ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra, ary tsy maintsy misy ny teboka mampifanipaka tanteraka ny fomba fijery. Ny tena mahagaga sy mahatalanjona aza, araka ny loharanom-baovao iray, dia indraindray hevitra tsy nifaneken'ny besinimaro akory no mivoaka amin'ny filazam-baovao, ka eo vao gaga ny minisitra sasany hoe : f'angaha moa niresaka an'izany tao amin'ny fivoriana. Ny mampanahy aza, hoy ihany ity loharanom-baovao ity, dia atsy ho atsy mety hisy fanambarana roa samihafa mivoaka aorian'ny filankevitry ny governemanta na ny filankevitry ny minisitra, izany hoe samy mamoaka ny fanapahan-keviny izany ny andaniny sy ny ankilany.
Efa hita soritra ihany moa io fifandirana, ao anatin'ny governemanta io, tamin'ilay resaka fanendrena PDS tany Antsohihy, sy tamin'ny famoahana NOTAM nanakanana ny fodian'i Marc Ravalomanana, vokatry ny taratasy nataon’ny Sekretera jeneraly tao amin'ny ministeran'ny fitaterana, izay fanapahan-kevitra tsy fantatry ny praiminisitra Omer Beriziky akory. Midika izany rehetra izany fa tsy mbola tanteraka araka ny tokony ho izy ilay fiaraha-mitantana, fa tena samy mbola manana ny eritreriny ny ao anaty governemanta ao. Antony iray lehibe, manaporofo indray ny tsy maintsy hanaovana ny fifamelana sy ny fampihavanana tena izy, izany mba hisorohana ny fingampingana sy ny fifanitsahana andraikitra.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.