Politique

Governemanta Esorina i Ruffine, ampidirina i Guy Rivo


  • Alarobia 19 Septambra 2012

Nandefa taratasy any amin’i Andry Rajoelina ny ankolafy Ravalomanana, amin’ny alalan’i Mamy Rakotoarivelo izay lehiben’ny delegasiona, omaly talata 18 septambra, mitaky ny hanafoanana ny didim-panjakana manendry ny minisitry ny fanapariaham-pahefana Ruffine Tsiranana, izay natolotry ny ankolafy Ravalomanana, ka soloina an’i Guy Rivo Randrianarisoa, amin’io andraikitra io.

 Izany dia fampiharana ny andininy faha-6 ao amin’ny tondrozotra. Araka ny votoatin’ilay taratasy dia noho ny tsy fahaiza-mitantana sy vokatr’ireo fitarainana maro avy eny anivon’ny vondrombahoakam-paritra sy ataon’ny mpiasan’ny ministera ary re avy eo anivon’ny ankolafy, izay mandratsy endrika ny governemanta sy ny ankolafy Ravalomanana no anton’izao fanoloana izao. Nandefasan’ny ankolafy Ravalomanana dika mitovy amin’io taratasy io ny praiminisitra sy ny birao fifandraisan’ny SADC. 

 
Raha ny tondrozotra dia ny manao sonia didim-panjakana fanendrena minisitra ihany sisa no ataon’i Andry Rajoelina, ho fanamafisana io tolokevitry ny ankolafy Ravalomanana, izay iray amin’ireo nanao sonia ny tondrozotra io. Tsy mbola fantatra anefa izay mety hitranga, niaraha-nahita rahateo ny fifandroritana nitranga tao amin’ny Kaominina Antananarivo tamin’ireny 2009 ireny, izay nisiana mpitondra roa, dia i Guy Rivo Randrianarisoa (PDS) sy i Michèle Ratsivalaka (Ben’ny tanàna lefitra). Niafara tamin’ny fandorana ny tranon’i Guy Rivo teny Ampasampito mihitsy ny raharaha tamin’ireny. Tsy hay koa izay ho fihetsik’i Andry Rajoelina manoloana ity fanapahan-kevitry ny ankolafy Ravalomanana ity, raha tarafina tamin’ny nanjo ny Dr Randriamiandrisoa Joseph tao amin’ny ministeran’ny tontolo iainana tamin’ny volana aprily 2012. Nesorin’i Andry Rajoelina tamin’ny alalan’ny didy hitsivolana, tsy nifampierana akory izy, nefa tsy olona avy amin’ny ankolafiny. Tsy voatendry mandrak’ity ny anio moa ny solon’ny Dr Jospeh, fa dia ny praiminisitra no mitantana vonjimaika ny ministera.
 
Araka ny fantatra koa dia mba efa nandefa taratasy tany Ambohitsorohitra toy izao koa ny Monima, anisan’ny nanao sonia ny tondrozotra, mba hanoloana ny minisitry ny fanatanjahantena izay avy aminy, saingy tsy nisy tohiny. Ankoatra izay dia tsara fifandraisana mba tsy hilazana fa mpinamana akaiky i Ruffine Tsiranana sy ny Praiminisitra Beriziky, ka tsy hay koa izay mety hambaran’ity farany. 
 
Eo anivon’ny ankolafy Ravalomanana indray matoa i Guy Rivo Randrianarisoa no naroso hisolo toerana an’i Ruffine Tsiranana dia azo inoana ihany fa nahazo ny fankatoavan’Atoa Marc Ravalomanana, filohan’ny ankolafy io. Mpitondra tenin’ny ankolafy Ravalomanana rahateo i Guy Rivo Randrianarisoa ary efa naroso tamin’io toerana io ny anarany faha-“Maputo” saingy tsy nampiharina moa ilay fifanarahana. Ankoatra izay dia efa fotoana lavalava no efa re siosio io mety ho fanoloana an’i Ruffine Tsiranana io, ka mety nampihazakazaka ny fandraisana izao fanapahan-kevitra izao ny fiovam-pitantanana tampoka teo anivon’ny Pisodia na PSD (Parti Social-Démocrate), tamin’ny nametrahana an’i Fetison Rakoto Andrianirina, izay lehiben’ny delegasiona ankolafy Ravalomanana teo am-piandohana, ho filohan’ity antoko misy an’i Ruffine Tsiranana ity indray ankehitriny. Maro ny fanontaniana mety hipetraka fa ny zavatra hisy aloha, raha raikitra ny fanovana, dia hihena izany ny isan’ny vehivavy ao anaty governemanta fa mitombo ny isan’ny lehilahy, izany hoe mihemotra indray ny miralenta.
 
Nangonin’i Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT