Ny minisitra Ramanantsoa Rodolphe ve no sarotra soloina sa tsy manam-piniavana hampisy io minisitry ny angovo io ny fitondrana Rajaonarimampianina ?
Dimy volana be izao no banga io toerana io taorian’ny nahafatesana tampoky ny minisitry ny angovo Ramanantsoa Rodolphe, hatramin’izao tsy voasolo fa nomena vonjimaika hotantanin’ny minisitry ny toekarena Raveloharison Herilanto. Mafana anefa ny toe-draharaha noho ity resaka delestazy ity, saika manerana ny Nosy. Misy toerana efa herinandro tsy misy jiro, noho ny tsy fisian’ny solika. Ao Mandritsara miditra amin’ny andro fahadimy anio izao sady tsy jiro no tsy rano, any an-dreniranon’i Mangarahara no mandavaka hakana rano. Any Farafangana sy Vangaindrano, indray mba mandeha ny fifaninana baolina kitra fiadiana ny tompondakan’i Afrika amin’ny ekipam-pirenena ny Televiziona malagasy fa tsy afaka manaraka izany ny mpitia baolina amin’ireo tanàna ireo noho ny tsy fisian’ny jiro ateraky ny tsy fisian’ny solika. Torak’izany ny any Antsalova, mifangaro ao ny fahasimban’ny milina mpihary herinaratra sy ny tsy fisian’ny solika, dia maizina ny tanàna. Ampahany ireo, fa saika olana iraisan’i Madagasikara ary manomboka tezitra ny olona. Voatery nohamafisina ny fiambenana ireo foiben’ny Jirama any SAVA manoloana izany, indrindra taorian’ny nahamay ny biraon’ny Jirama tao Andapa. Resaka sy fampanantenana no betsaka ataon’ny tompon’andriakitry ny Jirama sy ny praiminisitra mba hifikirana amin’ny toerana fa tsy mivaha ny olana, vao mainka aza mihombo. Mangina tsy andrenesam-peo koa ny minisitra nampisahanana vonjimaika ny angovo.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.