Antso an’efitra ny an’ny Pr Zafy Albert sy ny ankolafy tarihiny, mitaky ny hanovana tanteraka ny governemanta sy ny praiminisitra.
Nifarimbonan’ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina sy ny praiminisitra am-perinasa Beriziky Jean samirery tao ny fanamboarana ny governemanta, ka namenoana ireo toerana banga taorian’ny fametraham-pialan’ireo minisitra lasa kandida amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Olom-baovao iray, famindran-toerana minisitra iray, ary fametrahana minisitra mpisolo toerana telo no natao omaly. Notendrena ho minisitry ny vola, hisolo toerana ny kandida Hery Rajaonarimampianina, Rasoloherison Lantoniaina, izay efa Tale teo anivon’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola ihany. Nahazo fisondrotana grady kosa i Reboza Julien, minisitry ny rano teo aloha, izay voatendry indray ho praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany nasolo an’i Hajo Andrianainarivelo rehefa lasa kandida ity farany. Mihevitra ny mpanara-baovao fa dia lôjikan’ny fanapotehana an’i Hajo ny fametrahana an-dReboza ao amin’ity minisitera ity, tohin’ny raharaha Kolo FM/TV. Manomboka eto koa dia sady minisitry ny fahasalamana no minisitry ny rano mpisolo toerana ny Dr Ndahimananjara Johanita. Sady minisitry ny solika no minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy mpisolo toerana, Atoa Marcel Bernard ary sady minisitry ny tanora sy ny alavoly no minisitry ny raharaham-bahiny mpisolo toerana, Atoa Andriantiana Jacques Ulrich. Omaly ihany dia efa tontosa ny famindram-pahefana teo amin’ity farany sy i Pierrot Rajaonarivelo dimbiasany toerana. Samy olon’ny MDM izy ireo. Ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny ala, izay tsy nanana minisitra hatramin’ny aprily 2012 moa dia mbola raisin’ny praiminisitra Beriziky an-tanana.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.