Governemanta

> Be fanamby ireo minisitra vaovao


  • Zoma 06 Septambra 2013


Vita omaly ny famindram-pahefana teo amin’ny Praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany (VPDAT) teo aloha Hajo Andrianainarivelo sy ny vaovao Reboza Julien, an-daniny, ary teo amin’ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola teo aloha Hery Rajaonarimampianina sy ny vaovao Rasoloherison Lantoniaina an-kilany.
«Tsy hanao cyclone aho, tsy hanam-potoana amin’izany aho, fa hiaraka hiasa aminareo”, hoy Reboza Julien raha nandray avy hatrany ireo tale jeneraly sy tale rehetra notarihin’ny sekretera jeneralin’ny VPDAT.
Nampahafantariny nandritra ity fotoana ity kosa ny talen’ny kabinetrany dia ny kolonely Razafinjatovo Lucien. Naverin’i Hajo Andrianainarivelo avy hatrany kosa ireo fitaovam-panjakana nampiasainy, ka natolony an-dReboza Julien ny fanalahidin’ireo fiara rehetra nampiasainy. Teny Antaninarenina kosa dia nilaza ny minisitra Rasoloherison Lantoniaina fa tsy vaovao amin’ny asa nanendrena azy izy ary nanamafy fa tsy maintsy haloa foana ny karaman’ny mpiasam-panjakana.

JD

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT