Teraka omaly alatsinainy 21 novambra ny governemanta Beriziky. Tao anatin’ny fitaka sy an-tery anefa no nananganana azy, lavitry ny tenierana.
Nanaporofo izany ny tsy nahitana ireo mpitarika ny mpanohitra teny Iavoloha. Tsy vory lanona koa ireo masoivoho vahiny eto, indrindra ny an’ireo firenen-dehibe. Nisy koa ireo minisitra voatendry nefa tsy nipoitra teny Iavoloha omaly, izay sambany nitranga tato anatin’izao tetezamita izao, hany ka tsy tanteraka hatramin’ny fakana sarim-pianakaviana izay fanao rehefa misy fananganana governemanta. Nanamarika ny andro omaly koa ny fangalapiery teo amin’ny vondron’ny mpanohitra notarihin’ny Pr Zafy Albert sy ny praiminisitra Beriziky teny Mahazoarivo omaly. Tsy niandry ela ny fanehoan-kevitra manoloana izany. “Tsy hiditra izahay, tsy hisy zavatra ho vanona eto. Izay miditra ao dia naman’ny manala tena”, hoy ny profesora Zafy Albert teny Mahazoarivo omaly, raha nikasa ny hifampidinika tamin’ny praiminisitra Omer Beriziky ny Mandan’ny Fanoherana, ahitana ny ankolafy Ravalomanana, Zafy Albert ary Monima Uamad. Nohelohin’ny profesora ny fomba nanendrena ireo minisitra mandrafitra ilay governemanta.
Nambarany fa tratry ny teritery ny praiminisitra ary nalain’i Andry Rajoelina avokoa ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena. Izy, Rajoelina, no nanao ny lisitra, araka ny fanazavana ihany. “Manoloana ireo rehetra ireo dia mangataka ny fialan’i Andry Rajoelina izahay”, hoy ihany ny profesora Zafy Albert nanohy ny resaka tamin’ny mpanao gazety. Araka ny fanazavana ihany dia hanohana an’i Beriziky manoloana ny fanerena atao azy no anton’ny nahatongavan’ny Ankolafy telo teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo omaly. Tsy afaka niditra anefa moa ireo vahoaka fa efa nisy sakana miaramila ka solontena ihany no afaka niaka-dapa nifampidinika. Tsy teny an-toerana intsony anefa ingahy Beriziky. I Mamy Rakotoarivelo sy Lalatiana Ravololomanana no nifampidinika tamin’ny solontenan’ny praiminisitra tao an-dapa, dia ny tale misahana ny fandraharahana sy ny vola ary ny mpanolotsainy manokana. Naharitra antsasakadiny mahery ny fifampiresahana. Nambaran’i Mamy Rakotoarivelo fa atao ankilabao ny mpanohitra kanefa governemanta tenierana, tsy mitanila, handraisan’ny rehetra anjara no tokony ho najoro. “Nobakoavin’i Andry Rajoelina daholo ny toerana. Ny sori-dalana anefa no tokony hibaiko. Ny praiminisitra nanolotra lisitra ary anjaran’i Andry Rajoelina ny manao sonia ny taratasy mifandraika amin’izany.
Tsy taratra ao anatin’ilay governemanta mihitsy ny fiombonam-pirenena”, hoy hatrany i Mamy Rakotoarivelo. Nambarany ihany koa fa tsy azo ekena ny nakan’i Andry Rajoelina ireo ministeran’ny fiandrianam-pirenena. Tsy voasoratra ao anatin’ny sori-dalana ihany koa, hoy izy ny filazana fa manana zo hanendry minisitra izy. Ankoatra izay dia nambaran’ity lehiben’ny delegasiona Ravalomanana ity fa izay tonga teny Iavoloha omaly iny dia amin’ny anarany manokana ary karazan’ny manala tena ao anatin’ny ankolafy. Raha hisisika hanangana ny governemanta tsy ankatoavin’ireo mpanohitra moa i Andry Rajoelina sy Beriziky Omer dia hiantso ny Troika ny mpanohitra araka izay voasoratra amin’ny andininy faha-32-n’ny sori-dalana. “Aoka ny Troika hitondra ny fanazavany”, hoy ihany i Mamy Rakotoarivelo. Tetsy ankilan’izay dia hentitra ny filoha Ravalomanana, fa toheriny ny nananganana io governemanta omaly io. Governemanta izay misy toerana 35, ka praminisitra lefitra ny 2 ary minisitra ny 33, ka vehivavy ny 8 amin’ireo ary miaramila ny 4. Minisitra 13 tao amin’ny governemanta Vital no mbola voatendry indray, saingy nafindra departemanta hosahanina ny 4 tamin’izy ireo.
Nangonin’i Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.