Teraka omaly tolakandro ihany ilay governemantan'ny fampiraisam-pirenena tarihan'ny praiminisitra Omer Beriziky, governemanta izay azo ambara avy hatrany fa tsy nandraisan'ny mpanohitra anjara na dia nisy tamin'ireo olon'ny Ankolafy 3 aza voatendry tao ihany.
Amin'ny ankapobeny dia voatazona avokoa ireo minisitra teo aloha akaikin'ny filohan'ny FAT Andry Rajoelina. Tafiditra ao anatin'izany Atoa Hajo Andrianainarivelo izay niakatra grady ka lasa praiminisitra lefitra misahana ny fampiroboroboana ny fanajariana ny tany. Voatana amin'ny toerany koa ny minisitry ny fitsarana Razanamahasoa Christine. Toy izany koa i Harry Laurent Rahajason voatazona ho minisitry ny serasera. Tafaverina anaty governemanta ihany koa ry Reboza Julien (rano), Ny Hasina Andriamanjato (fifandraisan-davitra) ary Hery Rajaonarimampianina (vola sy ny tetibola). Nanatrika ny lanonana teny Iavoloha ny ankamaroan'ireo masoivoho vahiny eto amintsika ary raha nikabary ny masoivohon'i Afrika Atsimo izay sady solontena vonjimaikan'ny SADC dia nilaza fa dingana iray lehibe vitan'ny tetezamita izao ary manamarika ny tantaran'i Madagasikara. Manantena ihany koa izahay, hoy izy fa hiasa amin-kitsim-po ianareo ary hanohy hatrany ny ezaka famahana ny krizy. Dia miandry ny ho tohin’ny tantara izany ny rehetra satria hita ho mbola mamofompofona fitantanan'ankolafy tokana ihany ilay governemanta ary tsy dia tena azo ambara hoe governemantan'ny fampiraisam-pirenena marina satria tsy ahitana ireo olon'ny mpanohitra tena izy.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.