Politique

Governemanta Beriziky Omeo ny «professionnel» ny toerana, hoy ny olon-tsotra


  • Alatsinainy 21 Novambra 2011

Niteraka adihevitra be teny anivon’ny olom-pirenena tsotra ihany koa ny tsy mbola nahatafatsangana ny governemantan’ny praiministra Omer Beriziky.

Nihazakazaka ny fanambarana politika tamin’ny haino aman-jery taorian’ny alakamisy teo. Fanambarana miaro tetikady politisianina mahazatra ireny amin’ny ankapobeny. Fa ho an’ny sarambabem-bahoaka kosa dia fanambarana miaro hatezerana mihitsy no nampitainy noho ny fahasahiranana efa mihatra aman’aina nefa anaovan’ny mpanao politika sangondim-panina. Saika nitovitovy avokoa ny hevitr’ireo marobe tafaresaka tamin’ny Tia Tanindrazana, toy ny hoe : «tena mankaleo ireto mpanao politika ireto, tia tena, manapotika ny fiainam-bahoaka».

Soso-kevitra niarahan’ny ankamaroany ireto olon-tsotra ireto koa ny hoe : «tokony homena ny «professionnel» na ireo matihanina amin’ny asany ny fitantanana ny ministera tsirairay avy. Homena ny administratera sivily, ohatra, ny toerana minisitry ny atitany, homena ny mpitsara mahefa ny toeran’ny ministry ny fitsarana, atolotra ny diplômaty ny fitantanana ny ministeran’ny raharaham-bahiny, an’ny miaramila na zandary ny ministeran’ny foloalindahy, an’ny injeniera ny ministeran’ny asa vaventy, ny fambolena ary ny harena ankibon’ny tany, an’ny dokotera na profesora ny ministeran’ny fahasalamana … Dia an’ny Kaisara izay an’i Kaisara ê !

Manohy
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT