Politique

Governemanta Beriziky Mbola sarotra no hahazoany famatsiam-bola


  • Zoma 25 Novambra 2011

Anio no hiatrika ny filankevitry ny governemanta voalohany eo ambany fiahian’ny praiminisitra Jean Omer Beriziky ireo minisitra ao anatin’ny governemantan’ny fampiraisam-pirenena.

 Etsy ankilany dia mandeha ny feo fa tsy mankasitraka ny namerenana amin’ny toerany an’i Christine Razanamahasoa ho minisitry ny fitsarana sy Rajaonarimampianina Hery ho minisitry ny vola ireo mpamatsy vola ka noho izany dia tsy mbola handinika mihitsy aloha ny mety hamerenana ny famatsiam-bola an’i Madagasikara. Resaka efa nahoraka mialoha ny nanendrena ireo minisitra ihany moa izy ity saingy nambaran’ny olon’ny FAT fa tsy mitombina, hono, ary tsy misy izany hoe misafidy ny olona hiara-miasa aminy izany ireo mpamatsy vola fa izay tapaky ny Malagasy dia eken’izy ireo avokoa. Araka ny fantatra anefa dia tsy any amin’ny fisafidianana olona mihitsy no resaka eto. Raha misy minisitra iray na roa tsy nahavita nanafoana na nampihena ny kolikoly sy ny tsy fanarahan-dalana tao amin’ny ministerany dia tsy mahagaga raha tsy mahatoky azy ny mpamatsy vola. Fepetra goavana antoky ny fiverenan’ny famatsiam-bola avy amin’ny Vondrona Eoropeanina ihany koa ny fanajana ny zon’olombelona, zavatra izay hita mibaribary fa tsy nisy teto Madagasikara mihitsy tato anatin’ny fitondrana FAT.

Voakasika mivantana amin’io ny ministeran’ny fitsarana, satria maro be loatra ireo fisamborana olona tsy misy antony ara-taratasy sy araka ny lalàna mazava, na misy ihany fa efa voatazona vonjimaika any am-ponja iray andro ilay olona vao mivoaka tampoka ny didy fampisamborana azy. Tahaka izany koa ireo fisavana tranon’olona maro be sy fikasihan-tanana nataon’ny mpitandro ny filaminana, ary ireo raharaham-pitsarana hafahafa, ahitana taratra ny fanosihosena ny zon’ny voampanga. Rtoa Christine Razanamahasoa manokana dia efa nampanantsoin’ny vondrona eoropeanina tany Genève Soisa ny volana febroary 2010 mba hanazava misimisy kokoa ny antony nahatonga ireo tranga maro be miendrika tsy fanajana ny zon’olombelona teo Madagasikara nanomboka tamin’ny aprily 2009. Manaraka izany, araka ny tsiliantsofina re ihany, na dia milaza ny ho tsy matahotra ny hanaovana “audit” na fanadihadiana manokana ao amin’ny departemantany aza ny minisitry ny vola Hery Rajaonariampianina dia efa tsy matoky azy intsony noho ny antony maro samihafa ny mpamatsy vola avy any ivelany. Dia ho hita eo indray ny ho tohin’ity tantara ity. Raha izao fandehany izao aloha dia mbola ho sarotsarotra ihany ny hieritreretana fa hiverina ny famatsiam-bola avy any ivelany.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT