Politique

Governemanta Beriziky Mbola sadasada manan-tsoratra


  • Alarobia 23 Novambra 2011

Samy manana ny heviny ny olona taorian´ny famoahana sy fanononana ny anaran´ireo minisitra mandrafitra ny governementan´Atoa Beriziky Jean Omer.

 Ho an´Atoa Richard A. mpanara-baovao politika dia nambarany fa “raha ny fitsinjarana ny seza dia samy niaiky ny rehetra fa nety sy nanaraka ny tondrozotra ilay izy, ny hita anefa dia sadasada manan-tsoratra ilay governementa natsangana noho ireo minisitry teny an-kianjan’ny 13 mey mbola naverina tao ihany, nefa efa nanimba sy nahatonga izao fahoriam-bahoaka izao”. Ny Me Rasamimaka Mahefalahy kosa dia nilaza mavaza fa “tsy te-hihavana ny filohan´ny FAT sy ny mpiara-dia aminy ireo matoa mbola sahy nanao ireny fihetsika ireny. Aminay dia efa nazava ny resaka fa tsy nohenoina mihitsy, fa 50% avy ny an´ny mpanohitra sy ny mpomba ny FAT, ary tsy nangataka minisitera arovan´ny FAT mafy sy ny misy ny akamany izahay raha tsy hoe ny ministeran’ny fitsarana sy ny raharaham-bahiny angaha, nefa nodiana tsy hita izany ary tsy nohenoina mihitsy, mety noho ny tahotra angamba, na noho ny tery vaimanta ny mpiara-dia aminy, nefa raha tiana ny hivahan´ny krizy haingana, dia tsy hitanay ny olana nanomezana anay ireo toerana ireo, satria fiaraha-mitantana no atao ary fiaraha-midinika no dikan´izany, midika izao fa ny mbola sakanana hody an-tanindrazana Atoa Ravalomanana ary ny tahotra ny hidirany eto no nanaovana izao zavatra rehetra izao. Raha tena te hihavana koa ny FAT dia tsy nanao sakana tsy nahazoanay ireo ministera nangatahanay ireo mihitsy”.
Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT