Politique

Governemanta Beriziky Mandray ny asany ireo minisitra voatendry


  • Alakamisy 24 Novambra 2011

Nandray ny asany nanomboka omaly ny minisitry ny mponina vaovao, Rtoa Vaomalala Olga, vadin’i Alain Ramaroson.

 Hafakely ny kisary tazana teny Ambohijatovo omaly. Nisy andian’olona, ivelan’ny mpiasan’ny ministera tonga maro teny, izay vehivavy sy zokiolona avy amin’ny fikambanana samihafa, handray ny minisitra vaovao (?). Telo volana no efa tsy nanana minisitra ity departemanta iray ity, taorian’ny nahafatesan’i Nadine Ramaroson. Raha ny tokony ho izy dia ny praiminisitra teo aloha Camille Vital no nanao famindram-pahefana tamin’ny minisitra voavao saingy tsy nisy izay ka dia nandray asa avy hatrany ity farany. Marihina fa niova ho ministeran’ny mponina ity depatemanta ity raha ministeran’ny mponina sy ny raharaha sosialy teo aloha.

Fa tontosa omaly koa ny famindram-pahefana teo amin-dRtoa Yvette Sylla, minisitra teo aloha sy i Pierrot Rajaonarivelo, minisitra vaovao, eo anivon’ny ministeran’ny raharaham-bahiny. Nanambara ity farany fa diplaomasia ho an’ny fampandrosoana no tanjona. Hisy ny fanitsiana ny eo anivon’ny ministera, hahitsy hanaraka izany koa ny eny anivon’ny masoivoho Malagasy any Frantsa sy Belzika. Mbola vary mangatsiaka ao amin’ity ministera ity ny volan’ireo diplaomaty Malagasy tsy naloan’ny FAT rehefa nendahina maina tamin’ny toerany izy ireo.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT