Mihena an-toerana ny isan’ireo minisitra ao anatin’ny governemanta Beriziky. Raha nisy 35 izy ireo teo tamin’ny 21 novambra 2011 nijoroany, dia tsy misy afa-tsy 28 sisa ankehitriny.
Ny iray nesorina rehefa nifanolana tamina mpandraharaha teratany malagasy tamina resaka «bois de rose», dia ny minisitry ny tontolo iainana sy ny ala Dr Randriamiarisoa Joseph. Ny efatra nirotsaka ho kandida filoham-pirenena dia ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany, Andrianainarivelo Hajo Herivelona, ny minisitry ny raharaham-bahiny, Rajaonarivelo Pierrot, ny minisitry ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Rajaonarimampianina Hery ary ny minisitry ny asam-panjakana sy ny asa ary ny lalàna sosialy, Randriamanantsoa Tabera. Ny roa vavy kosa nisafidy hifaninana amin’ny fifidianana solombavambahoaka hatao amin’ny 20 desambra 2013 dia ramatoa isany Ranazamahasoa Christine, minisitry ny fitsarana, izay nirotsaka ao Ambatofinandrahana sy ny Dr Ndahimananjara Johanita minisitry ny fahasalamana sady nisahana vonjimaika ny ministeran’ny rano, nirotsaka ao Toamasina I.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.