Politique

Governemanta


  • Sabotsy 16 Aprily 2016

Tsy niatrika ny fanolorana ireo mpikambana ao amin’ny governemanta Mahafaly Olivier ny minisitry ny vola sy ny tetibola Rakotomanana Gervais sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny ranomasina Randrianarisoa Léonide Ylénia.

 

Fitsarana
Noho ny fitokonan’ny mpirakidraharahan’ny Fitsarana dia nahemotra ho amin’ny 13 mey 2016 ny raharaham-pitsarana momba ny lahatsoratra niresaka “kidnapping” niseho tany Toamasina ka nitorian’ny rain’ny zaza nalaina an-keriny mpanao gazety telo ao amin’ny vondrona MaTv.

Soavinandriana Itasy
Napetraka ny tsy fahafahana mivezivezy amin'ny alina , nohon'ny firongatry ny halatra kaonteran-jiron’ny Jirama.

Vidim-piainana
Nisy fiakarany 3% ny vidim-piainana teto Madagasikara, tao anatin'ny 3 volana farany araka ny tarehimarika navoakan’ny Ivontoeram-pirenena momba ny antotanisa (INSTAT)

Mahajanga
Napetraka ao Mahajanga ny "Sekoly ny Filaminana" hiaro sy hanaovana fitarainana ho an'ireo tratran'ny tsindry hazolena, manao asa soa koa ny fikambanana.

Boeny
Rehefa najifa ny hazo voamboana na “palissandre”dia fototra manga indray no hanaovan'ny olona arina fandrehitra. Efa tamin'ny 2012 no nisy ny lalàna nifehy ny fanimbana ala, saingy tsy nisy ny didy fampiharana izany, tany Boeny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT