Politique

“Gouvernement de combat” Minisitra 3 ampiadiana amin-dRavalomanana


  • Talata 09 Janoary 2018

Ankoatra an’i Rivo Rakotovao filohan’ny antenimierandoholona, dia minisitra miisa 3 ao anatin’ny governemanta no mihetraketraka mafy sy mamaky ady amin’i Marc Ravalomanana dia ny minisitry ny serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana Harry Laurent Rahajason, ny minisitry ny indostria Tazafy Armand, ny minisitry ny jono sy ny harena an-dranomasina Gilbert François.

 

 Ny minisitry ny serasera toa tsy mahazaka sy mahatsiaro voatsindrona mafy angamba isak’izay maneho hevitra ny filoha teo aloha, ka baikon’ny fankahalana tsotr’izao, ary dia mampiasa ny fahefana eo am-pelatanana hoenti-migafy na mandrahona. Izany tokoa ve ilay hoe: “gouvernement de combat” aminy fa dia tsy takona hafenina ny fihantsiana ady mivantana ? Nialoha ny krismasy 2017 teo izao dia nanasoketa an’i Marc Ravalomanana ho mihantsy sy hametraka fifankahalana amin’ny samy Malagasy ny minisitra Rolly Mercia. Nandrahona mihitsy izy hoe izaho minisitry ny serasera no mampitandrina ary raha mbola mitohy ny hataony dia olom-pirenena tsotra iny, ka hampiharina aminy ny lalàna rehefa izay no tadiaviny. Tsy levon’ny vavonin’ny HVM sy i Rolly Mercia mihitsy ny nilazan’i Marc Ravalomanana, fa tsy misy mafy be izany, izay tsy inona fa ny hetraketraka lava sy fireharehan’ny fanjakana HVM ho mafy sy mahery, ka hisomparany ny hafa hatrany no antony. Ny minisitry ny jono Gilbert François moa dia tsy vao izao, fa ny 6 jona 2016, no efa nitandroka ampahibemaso ny filoha teo aloha tany Toliara. Ny sabotsy 6 janoary 2018 teo indray, dia voalaza fa mbola izy no tao ambadiky ny fandrisihana andian’olona, handroaka an’i Marc Ravalomanana tsy handia an’i Toliara. Fandikan-dalàna tsotr’izao no fandroahana sy fandrarana ny Malagasy tsy handia ny tanànany. Olona tahaka izany ve no heverin’ny HVM hianteherana sy hampandany azy amin’ny fifidianana any Toliara sy any amin’ny toeran-kafa ? Fanta-daza tato ho ato koa ny minisitry ny indostria Tazafy Armand, izay tsy nisorona tamin’ny fanakatonana ny orinasa AAA noho ny antony politika. Sahiny ny nikipy teo anatrehan’ny fahorian’ny Malagasy an’aliny very asa, satria re fa misy orinasa vahiny mandrisika azy mafy. Mihevitra ny ho eo amin’ny fitondrana mandrakizay sy tsy ho tratry ny aloka mihitsy ve ireto minisitra mpandranitra ady ireto ?


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT