Politique

GMMR Mpisandoka andraikitra ry Mémé


  • Alarobia 29 Febroary 2012

Mivaky roa ny GMMR, izay vondrona nisintaka tamin’ny ankolafy Ravalomanana ary niditra tao anatin’ny fanjakana tetezamita.

 Andaniny ireo nitsipa-doha tanteraka an’i Dada ahitana an-dry Yves Aimé Rakotoarisoa sy ry dokotera Raharisaina ka nanangana antoko vaovao izay mbola nomena anarana GMMR na dia hafa aza ny fanalavana azy izay lasa MalaGasy Mivondrona Mandala ny Rariny. Ankilany indray ry Randrianarivonizandriny Celestin izay mitazona ny foto-kevitra nananganana ity vondrona ity ary mbola mampiasa ny anarana GMMR midika ho “Groupement Issu de la Mouvance Ravalomanana”. Nitondra fanazavana amin’ny mety fifangaroana amin’ireto vondrona roa samy hafa kanefa mitovy anarana ireto ny tarik’i Celestin Randrianarivonizandriny ka nilaza fa izy ireo dia mitazona hatrany ireto teboka 4 nijoroany hatrizay dia ny fiverenan’i Dada an-tanindrazana, ny fampiharana ny fepetra fampitoniana, ny fanomanana miaraka ny fifidianana rehetra ary koa ny fananganana governemanta iraisan’ny rehetra. Amin’Andriamanantena Rajohanitra, sekretera jeneraly dia nisintaka tao anatin’ny vondrona nisy azy ka zary mpisandoka anarana sy andraikitra ny GMMR misy an-dry Yves Aimé Rakotoarisoa.

Nambaran’ity farany fa efa hatry ny ela no nisy ny fikasana famadihan-dresaka sy fitarihana hivoana amin’ny tarigetra famerenana an’i Dada tao amin’ny GMMR fony mbola nitovy ny tadin-dokanga fa tsy nanaiky izany ny maro an’isa. Niseho masoandro anefa izany fikasana izany tamin’ny fotoana nidiran’ny Ankolafy mpanohitra tao anatin’ny Tetezamita tamin’ny alalan’ny fidiran-dry Meme ao anatin’ny vondrona UDR-C. Voatendry ho CST amin’ny anaran’ny UDR-C tokoa mantsy ireo minisitra GMMR 3 mirahalahy tamin’ny fotoana naha praiminisitra an’i Camille Vital. Nanolotra soso-kevitra hivoahana anaty krizy koa ry zareo. Tsy miala amin’ny tondrozotra izahay, hoy Andriamanantena Rajohanitra ary tokony hesorina avokoa izay rehetra sakana amin’ny fampiharana azy manomboka amin’ny faratampony.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry DieudonnĂ© Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT