Politique

GJMR Tokony ho Raiamandreny mpampihavana ny filohan’ny FAT


  • Alakamisy 01 Desambra 2011


 Tokony hipetrka amin’ny maha raiamandreny mpampihavana sy mpandala mandrakariva ny fampihaonana ny Malagasy ny filohan’ny FAT, Andry Rajoelina, araka ny nambaran’ny GJMR (Groupement des Jeunes de la Mouvance Ravalomanana) raha naneho ny fahitany ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny izy ireo omaly teny Tsiazotafo. Tokony handray finiavana ny filohan’ny FAT, hoy ihany izy ireo ary hanome toromarika ny ministera amin’ny famoahana ireo gadra politika sy hanokafana ireo haino aman-jery nakatona vokatry ny firehana tsy mitovy. Ny mba hisian’ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny firenena no tanjona, hoy ihany izy ireo no sady fanarahana ny voalazan’ny tondrozotra rahateo.

Amin’ny alalan’ny lahateny no tokony hanatanterahan’ny filohan’ny FAT izany araka ny hevitry ny GJMR ihany, lahateny izay hitondra fitoniana ho an’ny vahoaka no sady mampiseho ihany koa ny fahavononana hiaraka hiasa amin’ny rehetra. Ankoatra izay dia nanome toromarika ny praiministra Beriziky ihany koa ny GJMR satria tsy mbola ampy ny hafainganam-pandeha hirosoana mankany amin’ny fahombiazana tanteraka ho an’ny governemanta na dia efa tafapetraka aza ny firaisankinan’ny governemanta, araka ny nambaran’izy ireo ihany. Tokana ihany ny fomba fijery tokony hananan’ny praiminisitra, dia ny fampandehanana ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny sy ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka, hoy izy ireo. Mikasika ny fifidianana kosa dia nambarany fa tokony hojerena akaiky ny fikarakarana ara-teknika sy ny ara-materialy mba hisian’ny fifidianana mangaraharaha sy malalaka marina no sady tsy mitanila ary ahitana taratra ny demokrasia.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

  • Mbola mafana ny dosie Raholdina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Mifanipaka ny resaky ny PAN

  • Antenimierampirenena
  • Alarobia 06 Mey 2026

Raharaha maro hodinihina anatin’ny 60 andro…

Hijery ny tohiny
FTT