Politique

Gilbert Raharizatovo Vita ny fifidianana vao miverina ny famatsiam-bola


  • Alarobia 07 Desambra 2011

Manana ny heviny manoloana ny taratasy avy any amin-dRtoa Catherine Ashton lehiben'ny diplaomasia ao amin'ny Vondrona Eoropeanina Atoa Gilbert Raharizatovo, mpitarika ny PSRI no sady mpikambana CST teo aloha.

 Nambarany ary fa filazana ny fahavononan'ny Vondrona Eoropeanina hamerina ny famatsiam-bola iny, izay efa tena zava-dehibe ho antsika, saingy misy fepetra izany hoy izy. Ny fanajana sy fampiharana ny tondrozotra moa no fepetra voalaza eto, eo ohatra ny momba ireo gadra politika sy ireo sesitany ary ny fanajana ny fanehoan-kevitra an-kalalahana. Tafiditra ao anatin'izany ny fanokafana ireo haino aman-jery rehetra nakatona. Manampy izay rehetra izay dia mitaky ny hisian'ny tetezamita iaraha-mitantana tena izy ihany koa ny Vondrona Eoropeanina, hoy Atoa Gilbert Raharizatovo.

Raha tsorina ny resaka hoy ity mpanao politika ity ihany dia tsy mbola mandritra izao tetezamita izao no hiverina ny famatsiam-bola avy amin'ny Vondrona Eoropeanina, fa kosa aorian'ny fifidianana. Ny fitakiana ny fampiharana ny sori-dalana dia midika fa tanterahana daholo aloha izay voasoratra rehetra ao, ny famoahana ny gadra politika, fodian'ireo sesitany, fananganana ny rafitra tetezamita, fanantanterahana ny fifidianana madio sy mangaraharaha ary eken'ny rehetra, hoy ihany Atoa Gilbert Raharizatovo. Na izany aza anefa, hoy izy dia efa zava-dehibe ny fahavononan'ny Eoropeanina hanampy sy hanohana an'i Madagasikara ary azo hanaporofoana fa misy zavatra mihetsika eto.

Nangonin'i RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT