Politique

Gilbert Raharizatovo “Marc Ravalomanana no mpandresy”


  • Talata 06 Martsa 2018

Vahinin’ny fandaharana “Mandray Vahiny” vokarin’ny fahitalavitra M3TV Mahajanga ny mpamakafaka ara-politika Gilbert Raharizatovo, izay sady mpanao gazety moa no efa avy depiote sy minisitra teo aloha ny faran’ny herinandro teo,

 ka nitondrany ny heviny momba ny raharaham-pirenena, indrindra ny fifidianana. Nibahan-toerana ny momba ny fihetsiky ny fanjakana HVM, izay tena mihetraketraka indrindra fa amin’i Marc Ravalomanana. Rehefa mitondra fanjakana, dia mifampiresaka amin’ny olona, fa tsy izany no zava-mitranga fa ny hoe “andao hiady”, hoy izy. Tsy maintsy manao vava be ohatran’io rehefa fantatra fa malemy, ary ilay olona tsy miteny ety ivelany no matanjaka, hoy izy. Ao anatin’ny politika, dia misy zavatra mifanohitra amin’ny lasitra sy foto-kevitra lojika no mitranga eto. Tsy mahay izay teoria izay ve fa mafy be? Moa ve Ravalomanana atao tahaka an’io raha tsy kandida? Hakatona aloha ny orinasany, mandeha ny resaka hetra, ny resaka jiro, ravana ny tranony, ny antsojay amin’ny resaka fitantanana an’Antananarivo,... Rehefa mandeha izy amin’ny mitety faritra dia sakanana ny làlana tsy hahafahany mihaona amin’ny vahoaka.  Tany Toliara dia nosakanana sy nanaovana fampielezan-kevitra be mihitsy hoe fa tsy ilain’ny vahoakan’i Toliara, toy izany ny tany Tolagnaro, Toamasina,... Tsy hijanona anefa izy. Nisy ny ankety tamin’ny herinandro lasa teo, hoy i Gilbert Raharizatovo, izay tsy nambarany ny nanao izany, fa ny 62,7% ao amin’ny faritra Analamanga dia tsy mankasitraka an’io hatao an-dRavalomanana io ao anatin’ny Faritra Analamanga. Manosika ny olona moramora mankany amin-dRavalomanana ny antsojay politika atao aminy satria misy fo marary ao anatin’io atao io. Fahadisoana ara-politika ny ataon’ny fanjakana, ka misy ve olona minia mampijabaka hampiongana an-dRajaonarimampianina haingana be sy tsy hitiavan’ny vahoaka azy, dia ireo indray no ho kandida eo amin’ny toerany? Na inona na inona adihevitra atao, dia Ravalomanana irery ihany no “gagnant” na mpandresy ao anatin’io, hoy hatrany i Gilbert Raharizatovo.


Sarotra, hoy i Gilbert Raharizatovo, ny hanatanterahana fifidianana amin’izao zava-misy izao toe-draharaha misy izao. Tsy misy zavatra natao teto ary samy nanota ny mpitondra matoa tahaka izao ny fiainan’ny vahoaka. Rehefa diso dia manao “Grand Pardon” na fifamelana lehibe, ary miainga amin’ny zavatra vaovao raha te hahita filaminana maharitra.


Toky R

 

.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT