Ny diplaomasia tsy maintsy asiana rehefa miresaka. Nilaza ny tompon’andraikitra eoropeanina fa hanampy amin’ny fiatrehana ny fifidianana ny ECES izay miasa eto amintsika omaly nandritry ny fampahafantarana ny tetikasan’izy ireo ho fisorohana sy fitantanana ny ady mety hitranga mandritry ny vanim-potoan’ny fifidianana.
Manahy ny hisian’izany ihany anefa izy ireo, raha ny fampahafantarana ity tetikasa antsoina hoe PEV Madagasikara ity omaly. Samy tsy nahitana filaminana avokoa mantsy na ny taona 1972 na ny 1989 na ny 2001 na ny 2006 ary nihamafy hatrany ny krizy naterany. Anisan’ny miteraka korontana ny firehana politika, ny tsy fahampiam-baovao, ny hetsika eny amin’ny oniversite fa eo koa ireo herisetra ara-moraly sy araka ny rafitra misy eto amin’ny firenena. Ahoana no hisorohana izany tsy hitranga amin’ity 2018 ity ? Io no fanontaniana napetraka. Vahaolana naroso ny fanapariaham-baovao amina tambajotra maro samihafa sy ny fanentanana isan-karazany. Amin’ny maha tetikasa azy anefa dia mbola noraketina anaty boky be izy io fa ny fanatanterahana azy tsy hay na tena hahomby na resaka mandany jiro toy ny hatramin’izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.