Politique

Gidragidra amin’ny fifidianana Efa mandindona sahady


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Na ny avy eo anivon’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) sy ny komitin’ny fampihavanana malagasy (CFM) aza dia efa samy niaiky nanomboka ny fiafaran’iny taona 2017 iny fa mbola volana maro hahatongavana amin’ny tena fotoam-pandatsaham-bato dia efa mafampana sahady ny toe-draharaha ka nahatonga azy ireo niantso fitoniana.

 

 Efa hita ho manomboka mitady tsy hahay miady hevitra intsony indray tokoa ankehitriny ny valalabemandry raha ny hita eny amin’ny fiarahamonina. Na any anaty fandaharana miseho fahitalavitra aza dia ny mifanompa sy mifamely totohondry sisa tsy atao. Eny amin’ny fokontany eny moa dia efa misy mifanainga vozon’akanjo sy mifamely mihitsy. Toa mampahatsiahy ny zava-nitranga tamin’ireo fivoriam-pianakaviana maromaro taorian’ny raharaha 2009 izay mbola eo am-baravarana dia efa narentirenty ny sorabaventy hoe “aoka tsy hiresaka politika !”. Aiza ny fandraisana andraikitr’ireo tena tompon’andraikitra amin’ny fampihavanana sy ny tariny fa mandindona sahady ny gidragidra ?


J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT