Politique

GIC-M Tery vay manta sisa


  • Alatsinainy 15 Jolay 2013

Tonga eo amin’ny fetrany ny asa fanelanelanana ataon’ny SADC ka dia tery vay manta sy fanerena sisa fa nilaozany ny foto-kevitra sy foto-pisainana mpanelanelana.

Manome fe-potoana hatramin’ny faran’ny volana jolay izao ireo kandida telo mba hisintahan’izy ireo amin’ny fifidianana filoham-pirenena ny sehatra iraisam-pirenena, araka ny nambaran’i Joaquim Chissano ny sabotsy 13 jolay teo mialoha ny nandaozan’ny delegasion’ny GIC-M an’i Madagasikara. Tsy miova hevitra izany ny iraisam-pirenena fa dia tsy maintsy misintaka i Andry Rajoelina, Lalao Ravalomanana ary Didier Ratsiraka. Hihatra avy hatrany ny sazy henjana raha dila io fe-potoana io ka tsy nisintaka ireto kandida telo ireto, hoy i Joaquim Chissano ary dia ampitaina any amin’ny filankevi-pilaminan’ny Firenena

Mikambana koa ny tatitra. Tsy ara-dalàna ny filatsahan-kofidian’izy telo ireo araka ny fandinihan’ny sehatra iraisam-pirenena azy, hoy ihany ingahy Chissano ary tena sakana amin’ny hanatanterahana fifidianana madio sy mangarahara ary milamina sy azo antoka. Tsy nasiany resaka kosa ny amin’ireo kandida anisan’ireo 109 nosazian’ny Vondrona Afrikanina tamin’ny martsa 2010. Hisintaka tanteraka amin’ny fanampiana an’i Madagasikara amin’ny fikarakarana ny fifidianana ny sehatra iraisam-pirenena raha toa ka miziriziry amin’ny heviny ireo kandida 3 ireo, raha ny filazan’i Joaquim Chissano ihany. Ny filatsahan-kofidian’i Andry Rajoelina sy Lalao Ravalomanana no nanimba ny ezaka efa vita tamin’ny famahana ny krizy, hoy ity filoha Mozambikanina teo aloha ity. Soa ihany anefa, hoy izy fa tsy nisy ny gidragidra sy savoritaka teto Madagasikara na dia misy aza ny krizy. Mihevitra ihany koa ny sehatra iraisam-pirenena fa vahaolana tsara indrindra amin’ny famahana ny krizy ny fampihaonana ny filohan’ny tetezamita sy ireo filoha telo mirahalahy teo aloha.

Mazava ny resaka eto fa dia manindry mafy azy telo mianaka mba hitsoaka an-daharana ny sehatra iraisam-pirenena, no sady manery an-kolaka ihany koa ny CENI-T mba hamoaka datim-pifidianana vaovao. Tsy dia nisy zava-baovao, araka izany, ny iraka nataon’ireo delegasiona mafonja avy amin’ny GIC-M teto Madagasikara nandritra ny dimy andro fa dia fanamafisana fotsiny ihany izay efa nambara tany Addis-Abeba tamin’ny 26 jona 2013. Tsy niova tamin’ny heviny moa, hatreto aloha ireo kandida telo fa dia mijanona ho kandida feno amin’ny fifidianana filoham-pirenena, miankina amin’izay zavatra hambaran’ny CENI-T ny tohin’ny tantara. Moa va hanaiky hosoavalian’ny sehatra iraisam-pirenena Rtoa Atallah Béatrice ka hofatoran’ny fanampiana eo amin’ny vola sy fitaovana ka hanara-drenirano ny fanapahan-kevitry ny GIC-M, sa ho sahy hijoro ka hanapa-kevitra fa na hanampy na tsia ny iraisam-pirenena dia hanao fifidianana i Madagasikara, mandray anjara ny kandida 41 ary ny fanjakana malagasy no hamatsy ny vola. Mazava ho azy fa tsy maintsy mbola misy ny fandaminana atao miaraka amin’izany.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT