Omaly no nanomboka ny fihaonana tamin’ireo sokajin’olona maro samihafa, manampahefana sy mpanao sonia ny tondrozotra ny GIC-M izay tarihan’Atoa Joaquim Chissano, ahitana ny Dr Leonardo Simao sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy ao amin’ny vondrona SADC.
Anisan’ny delegasion’ny GIC-M tonga eto amintsika ihany koa Atoa Ramtane Lamamra kaomisera momba ny filaminana sy ny fandriampahalemana ao amin’ny Vondrona Afrikanina. Anisan’ny nihaona tamin’ireto mpanelanelana ireto omaly ny filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina. Teny Iavoloha no nanaovana ny fihaonana. Tsy dia tena misy zava-baovao fa ny omaly tsy niova ihany ny resaka, ny fomba filaza azy angamba no niova kely fotsiny. Anisan’ireo kandida filoha takian’ny GIC-M hiala an-daharana ny filohan’ny tetezamita. Fanaovana tomban’ezaka no anton-dianay eto, hoy i Joaquim Chissano, hijery ny zavatra vita tamin’ireo didy fiton’ny GIC-M sy ny tsy vita. Inona ny antony tsy nahavitany ary ahoana ny fomba hamitana azy ?
Anio dia mbola hihaona amin’ny filohan’ny CENI-T ry Joaquim Chissano sy ny ekipany, aorian’izay vao hisy ny fanambarana ataon’ireo diplaomaty ireto, ka amin’izay vao tena ho fantatra ny votoatin’ireo fihaonana rehetra natao tato anatin’ny roa andro, ny mety ho fanapahan-kevitra na ny dingana manaraka. Nitarina 15 andro indray moa ilay fe-potoana hahafahan’ireo kandida voatondro fa tokony hisintaka mba hanatanteraka izany. Tsy maika amin’ny fanasaziana izahay, hoy Atoa Joaquim Chissano fa tsy maintsy atao foana ny fifampiresahana. Hatry ny omaly anefa dia samy tsy misy manana eritreritra ny hitsoaka an-daharana izany na i Andry Rajoelina, na Lalao Ravalomanana na i Didier Ratsiraka. Ny GIC-M koa anefa dia milaza fa tsy maintsy karohana ny fomba hanatanterahana ilay didy fito, izany hoe tena mbola resaky ny moana sy ny marenina aloha no misy hatreto, ary tena mety mbola fifampidinihana maromaro ihany no atao izay vao mety ho hita ny marimaritra iraisana.
Efa azo sary an-tsaina sahady ny mety firesaka diplaomatika hataon’ny GIC-M amin’ny mpanao gazety amin’ity anio ity, fa dia hoe nahafinaritra ny fihaonana, tamim-pirahalahiana, nisy ny dingana vita, samy naneho fahavononana hiroso ny an-daniny sy ny an-kilany… hampitaina ny tatitra dia hisy indray amin’ny manaraka ny iraka manokana hanao tomban’ezaka ny amin’ny asa vita. Tahaka izay foana mantsy ny fomba firesak’izy ireo tao anatin’izay efa-taona izay. Raha ny tena marina dia fombafomba ihany no ataon’ny GIC-M sy ny SADC raha mihaona amin’ny mpitondra tetezamita sy ny mpanao politika Malagasy fa efa manana ny eritreriny sy ny tanjona tiany hahatongavana izy ireo, fa mba mody mihodinkodina an-toerana eo fotsiny…
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.