Elaela tsy tazana teo amin’ny fanehoan-kevitra politika ny mpikambana ao amin’ny birao politikan’ny antoko MFM sady mpahay toekarena, Atoa Gérard Rabevohitra.
Tazana izy nandritra ny lanonam-panamarihana ny faha-40 taonan’ity antoko ity ny sabotsy 04 aogositra teo tetsy Mahamasina. Ianareo no mety ho varimbariana, hoy izy, fa eo ihany aho. Eo ihany aho tamin’i Manandafy Rakotonirina noraofin-dry zalahy teny amin’ny Carlton ireny. Ny basin-dry zalahy koa moa mirangaranga ka naleo nisitrika. Ho anay MFM, ny fotokevitra demokratika arahinay dia tsy miova, fa ny tena no miha antitra. Ka eto tsy misy mihataka na dia eo aza ireo nikopak’elatra ! Asiana ny adihevitra, asiana ny tenierana.
Raha hitanareo eny an-kianja hoe mbola mafana ny MFM dia ny fotokevitra no tena mafampana, ao foana io. Raha ny resaka toekarena dia nambaran’ity tompon’andraikitra MFM ity, fa mihamahantra ny vahoaka. Toy ny masoandro be lohataona io tsy misy afenina, hoy izy. Ary raha ohatra tarafina amin’ny fiainam-bahoaka dia hitanao tsara fa feno ny sarety entin-tanana eto Antananarivo Renivohitra. Vokatry ny tsy fisian’asa dia mitsikaraka ny olona. Ny varotra amoron-dalana koa maro dia maro ary ifampitadiavana amin’ny Kaominina. Mahantra ny vahoaka, nefa tsy maintsy alamina io. Ilay hoe hampakatra ny harinkarena faobe araka ny voalazan’ny mpitondra ankehitriny hoe ambonimbony kokoa aloha raha amin’izao toedraharaha misy antsika izao dia sarotra be.
Raha ambony noho ny tahan’ny fitombon’ny mponina izy izay vao misy hirika azo antenaina. Fa raha ny antsika io anie tamin’ny 2011 mbola 0,7% izany hoe mbola latsaky ny 3%. Na 2,8% aza mbola mahantra foana ilay vahoakantsika. Manginy fotsiny ny tsy fandriampahalemana hatreny ambanivohitra izay mbola mitory fahantrana ihany koa. Mampalahelo isika nefa amin’ny maha mpanao politika dia tsy maintsy mijoro.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.