Nivoitra io nandritra ny fampahafantarana ny fijoroan’ny rantsan’ny Antoko Politika Madio (APM) tarihin-dRakotoarisoa Faniry Alban na Gangstabab ao Mahajanga ny sabotsy 03 desambra teo.
Razafindrakoto Aziz Aimé no filohan’ny birao rezionaly eto Mahajanga. Nampahatsiahivin-dRakotoarisoa Faniry Alban (Gangstabab) tamin’io fa ny tena antony ijoroan’ny APM sy ny tanjona izay tian’izy ireo tratrarina dia ny fanadiovana ny tontolon’ny politika eto Madagasikara sy ny fanatsarana ny fitantanana ny firenena. Takian’ny APM ny hanenana ny fahefan’ny filoham-pirenena. Nanome soso-kevitra koa ny antoko mba hanenana ny isan’ny minisitera mba tsy handany volam-panjakana loatra fa ny fampandrosoana ifotony no himatimatesana. Nohamafisin’i Gangstabab fa niala tao amin’ny hetsika Mitsangana ry Malagasy ny APM vokatry ny tsy fitoviam-pijerin’ny roa tonta eo amin’ny fitondrana ny hetsika. Tsy miray petsapetsa amin’ny ratsy ny APM fa miezaka ny hanao fitaratra amin’ny antoko hafa mijoro eto Madagasikara izy ireo, hoy izy. « Firenena fa tsy seza » ny azy ireo no mibaiko ny fanaovana politika, ka tamin’izay no nilazany fa tsy hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena izy amin’ny 2018.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.