Politique

Gangstabab Lasa mpanao politika tanteraka


  • Alakamisy 14 Janoary 2016

Niova taranja i Gangstabab na Rakotoarisoa Faniry Alban. Raha ny sehatry ny kanto, ny hira sy ny hatsikana ao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray no tena nahafantarana azy hatrizay dia hirotsaka amin’ny sehatry ny politika izy manomboka izao.

 

Antoko Politika Madio na APM no anaran’ny antoko tarihany ary ny sabotsy ho avy izao no hatolotra amin’ny fomba ofisialy etsy amin’ny PK 0 ao amin’ny Cercles des Cheminots ao Antanimena ity antoko ity. Fotoana izay harahana valandresaka ho an’ny mpanao gazety sy fandraisana ireo mpikambana vaovao. Ny volana septambra 2015 lasa teo no nanaovana ny fivoriana voalohany nandrafetana ny antoko ary ny 1 desambra 2015 teo kosa no nahazo ny taratasy fampahafantarana ny fitsanganany ny antoko APM. Toy ireo olom-pirenena any amin’ny sehatra hafa, dia manao politika ihany koa ny mpanakanto ary tena maro amin’izy ireo no liana amin’izany ankehitriny. Misy tokoa ireo tena havanana ary misy kosa ireo mpitady toerana sy tombontsoa fotsiny ary manao fitaovana ny lazany mba hambaboany ny fon’ny olona. Antenaina fa tsy ho toy izany ny APM fa tena hitsinjo izay hahatsara ny fiarahamonina tokoa amin’ny fomba madio, araka ny anarany. Tsy izay mpanakanto malaza sy be mpakafy mantsy dia hahay politika avokoa.

 

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT