Politique

Gangstabab Efa miomana ho ben’ny tanàna


  • Alakamisy 11 Janoary 2018

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny Le pavé Antanimena ireo birao mandrafitra ny Antoko Politika Madio (APM) tarihin’ny filohany Faniry Alban Rakotoarisoa na Gangstabab.

 Notsiahivina fohy tao ny lalana nodiavin’ny antoko nanomboka ny taona 2010 niforonany nandalo ny taona 2016, izay nanomezan’ny fitondram-panjakana ny « récépicé » maha antoko mitsangana ara-dalàna azy ka hatramin’izao fotoana izay nampahafantarany ihany koa ny drafitra tiany hitondrana ny tanànan’Antananarivo taorian’ny nanambaran’ny filohan’ny antoko, Faniry Alban Rakotoarisoa, fa hilatsaka hofidiana ben’ny tanànan’Antananarivo tamin’ny faran’ny taona 2017. Tamin' ny voalohany ny antoko dia nihevitra ny handray anjara amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena mihitsy, hoy ny fanazavana fa rehefa nandinika niaraka tamin' ny mpikambana rehetra dia niara-niaiky fa mila fiomanana ny fitondrana ny firenena. Ben’ny tanàna no mbola vita hatreto ka io no hirosoana. Efa nanatsidika sahady ireo tetikasam-piarahamonina kasainy hitondrana ny tanànan’Antananarivo izay hilatsahany amin’ny taona ho avy moa ny filohan’ny antoko omaly izay amin’ny ankapobeny dia miompana amin’ny lafiny ara-tsosialy, toekarena sy fitantanan-draharaha ankapobeny (administration) ary ny fifindra-monina (amenagement). Efa hita ho miomana ho ben’ny tanàna sahady, araka izany, ny filohan’ny APM ary efa taratra fa fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana ihany izao tontosainy izao. Mbola tsaroany ve ilay filazany tamin’ny fotoan’androny hoe afaka 40 taona any ho any ny APM vao hiditra amin’izany resaka fifidianana izany ?

 

J. Mirija

 


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT