Politique

Gadra politika, sesitany politika, haino aman-jery nakatona … Tsy nisy noraharahaina


  • Sabotsy 10 Mey 2014

Niteny ka niteny, nanazava ka nanazava. Nandany ora roa nifandaharana tamin’ireo mpanao gazety notsongaina manokana, niarovany tena i Hery Rajaonarimampianina, omaly, manoloana ny tsikera sy ny fanakianana ny fomba fiasa sy ny fanatanterahana ny fandaharanasany tao anatin’ny 100 andro voalohany nitantanany an’i Madagasikara.

 Toy ny mbola manao propagandy ny fandrenesana azy. Voky fampanantenana ny malagasy. Nambarany fa nametraka fototra izy tao anatin’izay telo volana mahery izay, ary dia afaka miasa tsara amin’izay izao, hanatanteraka ireo fampanantenany tamin’ny propagandy. Ho azo tanterahina ve izany raha mbola misy Malagasy voailikilika eto, na misy sesitany politika tsy avela hody an-tanindrazana toa an’i Marc Ravalomanana, raha mbola misy gadra politika any am-ponja any, raha tsy avela hisokatra ireo haino aman-jery nakaton’ny Fahefana avon’ny tetezamita. Nahagaga fa tsy nasian-dresaka ary tsy mba nametrahana fanontaniana nandritra ilay fandaharana manokana nalefa tamin’ny haino amanjerim-panjakana akory ireo. Nifanarahana tsy horesahina sa tsy firaharahana tsotra izao ! Malagasy an-tapitrisany anefa no liana te hahalala ny tena hevitr’i Hery Rajaonarimampianina mikasika an’ireo mba tsy ho resaka fihatsarambelatsihy fotsiny ity hoe fampihavanam-pirenena ventesina lava ity. Tsy nisy na dia fofompofona aministia aza. Asa aloha e !

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

  • Kristianina
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

mandinika raharaham-pirenena

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

Hijery ny tohiny
FTT