Politique

Gadra politika Navoaka avokoa ireo sivily ambiny tany am-ponja


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Ny zoma 20 janoary lasa teo no nivoahan’ireo sivily gadra politika hany sisa tavela tany am-ponja.

 Niisa fito izy ireo no namarana ny lisitra tamin’ireo an-jatony nifandimby niditra tany am-ponja noho ny raharaha politika hatramin’ny taona 2009 no ho nankaty. Izany dia nanomboka tamin’ny fisamborana ireo parlemanteran’i Vakinankaratra, efa-dahy, nosamborin’ny FIS notarihin’ny komandà Charles Andrianasoavina tamin’izany fotoana, teny Ambohipo ny 23 martsa 2009. Mbola tavela any am-ponja mandrak’izao kosa ireo zandary sy miaramila miisa 34 lahy, voarohirohy noho ny raharaha FIGN ny 20 mey 2010 sy BANI ny 17 novambra 2010. Maro amin’izy ireo anefa no iray afera tamin’ireny sivily efa navoaka ireny. Eo ny fanontaniana no mipetraka hoe fampiharana ny andininy faha-16 amin’ny tondrozotra ve no natao teto sa zavatra hafa ?

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT