Politique

Gadra politika Mbola misy 24 tavela any am-ponja


  • Alakamisy 30 Mey 2013

Fifidianana izao ny resaka nefa mbola maro ireo gadra politika any am-ponja. Misy 24 ireo sivily sy miaramila voatazona any am-pigadrana ankehitriny noho ny raharaha 7 febroary 2009, FIGN 2010, BANI 2010, araka ny tarehimarika nomen’ny fianakaviana.

 Mitady ho sarona ao anatin’ny resa-pifidianana izy ireo na dia mibaribary amin’ny andininy faha-16 ao amin’ny tondrozotra ny famoahana azy ireo tsy misy hatak’andro. Nilokaloka ny ankolafy Ravalomanana fa hiady ho azy ireo sy ny fiverenan’ny sesitany politika rehefa niditra tanaty fanjakana fa tsy ahitam-bokany mivainga avokoa izany. Soa fa tsy mipetra-potsiny ny fianakaviana sy ireo mpifonja niara-nizaka ny mafy tamin’izy ireo noho ny krizy 2009 izay efa nivoaka ankehitriny. Nanao hetsika fanairana ny mpitondra isan-tokony ny fianakaviana omaly raha miantso ny fampiraisana ny hery kosa ireo gadra afaka. Ireto farany izay nanangana fikambanana antsoina hoe : «Solidarité des Victimes Politiques 2009» na «SVP 2009».

Hetsika samy hafa no notanterahana saingy iray ihany ny tanjona. Ho an’iretsy voalohany dia takiany ny fivoahan’ny havana mialoha ny fifidianana. Miantefa manokana amin’ireo minisitra sy parlemantera avy amin’ny ankolafy Ravalomanana izay antso avo izay. Ombamin’ny “SVP 2009” manana ireo fitakiana ireo saingy ambonin’izay dia milaza ry zareo fa tsy tokony hasiana akory ny fifidianana raha mbola tsy tafody i Dada. Kianiny koa ny fanjanahatany amin’ny endriny vaovao ataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Miantso ireo rehetra mahatsiaro tena ho traboina noho ity krizy ity ry zareo hiara-dalana aminy satria ny firaisankina no hery, hoy izy.
Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT