Politique

Gadra politika Marary ao Befelatanana i Coutiti


  • Alakamisy 22 Desambra 2011

Omaly maraina tokony ho tamin'ny 9 ora sy 45 minitra no nigadona tetsy amin'ny hopitaly Befelatanana ny kolonely Coutiti Assolant.

 Nifanilika andraikitra ny ministeran'ny Fitsarana sy ny fandraharahana ny fonja tamin'ity tsy fahasalamana nahazo ny kly Coutiti ity. Araka ny fantatra teo anivon'ny mpandraharaha ny fonja mantsy dia efa ela izy ireo no nangataka ny hitsaboana ity manamboninahitra ity any amin'ny hopitaly ivelan’ny fonja saingy ny ministera no tsy nanaiky. Nanova zavatra betsaka noho izany ny nahazo ny lietna-kolonely Charles. Any amin'ny tratrany no fantatra fa misy fahavoazana amin'ity marary ity. Ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny fonja dia milaza fa fiantraikany tamin'ny vono natao azy nandritra ny fisamborana azy teny Ivato izany ny 20 novambra 2010. Nilaza mihitsy izy ireo fa vokatry ny hitsakitsaka sy daroka no mbola misy fiantraikany hatramin'izao.

Nilaza ihany koa ireo tompon'andraikitra ao amin'ny fandraharahana ny fonja fa sempotra ihany koa ny kolonely Coutiti. Ho hita eo, araka izany, na hitovy lenta tamin'ny nitsaboana ny lietna-kolonely Charles ny fandraisana andraikitry ny FAT na ho fihatsarambelatsihy tamin'iry voalohany ihany ny nandefasana azy any ivelany hitsabo tena. Mihazakazaka ny toe-draharaha eo anivon'ny Tafika indrindra taorian'ny zava-nitranga tamin'ireto manamboninahitra roa ireto. Fantatra ihany koa mantsy fa misy mihetsiketsika any ambadika any haneho tsy fifaliana amin'izao zava-mahazo ireo manamboninahitra voafonja izao. Manaraka akaiky ny zava-mahazo ny kolonely Coutiti ny mason'ny mpanara-baovao !

Titan

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT