Nihaona tamin’ny mpikamban’ny komitin’ny fampihavanana malagasy tetsy amin’ny biraon’ny CFM Ampefiloha omaly ny avy eo anivon’ny federasionin’ny gadra politika na FEDEP, tarihin’ny filoha nasionaliny, Henri Rakotomalala na Riribe.
Tokony havoaka ny fanonerana sy famatsiana (réparation et indemnisation), raha ny nambaran’ny FEDEP. Eo ihany koa ny famotsoran-keloka. Efa azo lazaina ho vita ny fanadihadiana rehetra mahakasika ireo eo anivon’ny CFM, raha ny fanazavana hatrany. Efa nandefa “avant projet de decrét” na fampahafantarana mialoha any amin’ny minisiteran’ny fitsarana ny CFM an’izay rafitra vaovao hikarakara izany, araka ny lalàna 016 – 037 tamin’ny 2 febroary 2017. Afa-po amin’ny ezaka vitan’ny CFM izahay satria nisy ny asa nataon’izy ireo, hoy hatrany ny FEDEP. Mbola misy asa tokony hotohizana hanafainganana an’io anefa satria tao anatin’ny 7 taona izay dia 39 no isan’ny gadra politika niharam-boina. Maty tapaka lalandra, maty noho ny adin-tsaina, potika ny hasina ara-pianakaviana sy eo amin’ny lafiny ankohonan’ireo gadra politika. Efa eo anivon’ny governemanta, hoy ny FEDEP, ny baolina ka manao antso amin’ny praiminisitra sy ny filoham-pirenena izahay mba ho amin’ity taona ity no hanonerana ireo niharam-boina tamin’ny krizy nifandimby teto mba ho mariky ny fiantombohan’ny fampihavanam-pirenena. Ny taona 2011 tao anatin’ny “Feuille de route” no namoaka ireo zavatra notakianay ireo. 9 taona aty aoriana tsy misy zavatra mandeha anefa ny fitondram-panjakana maka ohatra amin’ny any ivelany toa an’i Rwanda sy Afrika atsimo izay efa nahavita ireo takianay ireo avokoa, hoy ny filoha, Henri Rakotomalala. Manana ny hery rehetra izahay na manampahaizana na miaramila na vahoaka saingy tsy hitarika korontana. Ialanay tsiny, hoy ny tenany, anefa fa voatery handray andraikitra izahay rehefa tsy misy mpijery.
J. Mirija/ Toky R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.