Politique

Gadra politika Hanao hetsika fiala-nenina ireo fianakaviana


  • Talata 27 Desambra 2011

Voarakitra ao anatin’ilay sori-dalana nosoniavin’ireo mpanao politika ny 17 septambra 2011 fa anisan’ny fomba hamahana izao krizy izao ny fametrahana fitoniana eto amin’ny firenena, toy ny famoahana ireo gadra politika.

 Raha ny tokony ho izy dia ny ampitson’ny nanaovana sonia ny fifanarahana politika no namoahana ireo gadra politika tavela any am-ponja. Telo volana anefa izay no lasa, tsy mbola nisy fihetsika avy amin’ireo mpitondra maneho izany na dia eo aza ireo gadra efa marary mafy, miady amin’ny fahafatesana. Mihisatra dia mihisatra ary arirarira ny fanatanterahana ny sori-dalana rehefa izay fametrahana ny fitoniana politika izay no irosoana. Betsaka ireo fifampiraharahana sy fampitandremana nataon’ireo manana ny voafonja tamin’ireo manana ny fahefana ankehitriny saingy tsy nisy vokany avokoa.

Teo koa ny nilazan’ny minisitry ny fitsarana fa tokony havadika lalàna aloha ny sori-dalana vao azo ampiharina. Vita ihany ny famadihana ny fifanarahana politika ho lalàna kanefa hatreto dia mbola ny teo ihany no teo. Nisy ny resaka natao fa havoaka hanao fety miaraka amin’ny fianakaviana ireo gadra politika ireo, na sivily na miaramila. Lasa ihany anefa iny ny Noely ary hiditra amin’ny faran’ny taona sy taom-baovao saingy tsy mbola misy mangirana aloha hatreto. Manoloana izany àry dia hanao hetsika lehibe ireo fianakavian’ny voafonja politika mialoha ny alakamisy ho avy izao, ao anatin’izay ny fialà-nenina fiaraha-midinika amin’ny praiminisitra Omer Beriziky. Miantso ireo olon’ny ankolafy mpanohitra, ny ankolafy Ravalomanana izay lasa mpikambana ao anivon’ny governemanta, CT ary CST ihany koa izy ireo mba handray andraikitra hamoahana ireo gadra politika ireo. Takian’ireo fianakaviana ireo sy ny ankolafy Ravalomanana ny hanehoan’ny fitondrana finiavana ara-politika amin’ny fanatanterahana ilay sori-dalana. Nambarany fa raha voasakana aza ny praiminisitra dia tokony haneho an-gazety ampahibemaso izany finiavany izany.

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

  • Fanenjehana an-dRajoelina
  • Alarobia 06 Mey 2026

Hosantarina amin’ny

Hijery ny tohiny
FTT