Politique

Gadra politika, Grand Corps... Miandry izay hambaran-dRajoelina eny Iavoloha


  • Alarobia 11 Janoary 2012

Mirona eny Iavoloha avokoa ny maso sy ny sofin’ny rehetra manomboka anio.

 Anisan’ny tena miandrandra izay hambaran-dRajoelina ny gadra politika sy ny fianakaviany, ny miaramila mivondrona eo anivon’ny Cosofam, ny Grand Corps, ny sendikan’ny mpampianatra mpikaroka na SECES, ny sendikan’ny mpitsara SMM, ny polisy ary ny olon-tsotra ihany koa. Inona no havoakan’ny eny Iavoloha ? Efa samy miandriandry ny rehetra satria efa mafana loatra ny rivotra politika iainana eto Madagasikara ary efa maro loatra ihany koa ny olana tsy voavaha.

Efatra andro maninjitra ny lanonana fiarahabana nahatratra ny taona ataon’ny filohan’ny FAT ary mitsinjara karazan’olona maromaro ihany koa ny voaasa mandritr’io fotoana io. Efa maro sahady no mimenomenona fa fandaniam-bola be loatra no hataon’ny fitondrana tetezamita momba ity fifampiarahabana eny Iavoloha ity. Na ny firenena matanjaka aza dia efa niala tamin’izany fa indray miantoana ihany dia ampy, mba hialana amin’ny fandaniam-bola mihoapampana. Eto amintsika anefa dia mainka miroboka amin’ny fahantrana, mainka koa manao fisehosehoana. Tsy hiverenana intsony angamba ireny afomanga misesisesy ireny, ny fanafarana artista malaza eran-tany ... Tsara avokoa izany rehefa amin’ny fotoana tokony hilana azy. Mitodika eny Iavoloha avokoa ny maso ankehitriny ary mihaino koa ny sofina. Ho hita eo izay mivaingana sy mety hamaha ny olana.

Gaby

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT