Politique

Gadra politika “Avoahy !”, hoy Ralitera ; “mbola sarotra”, hoy i Beriziky


  • Alatsinainy 19 Desambra 2011

Manome fe-potoana ny fanjakana hatramin’ity herinandro ity ireo gadra politika efa nahazo fahafahana hamoahana ny namany izay mbola misy 41 no tavela any am-ponja ankehitriny.

 Nambaran-dRalitera Andrianandraina, talen’ny fiarovana tao amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ary vadin’ny minisitry ny fiompiana am-perinasa ankehitriny, avy amin’ny ankolafy Ravalomanana, fa tokony havoaka tsy misy hatakandro avokoa izy ireo satria efa nankatoavin’ny parlemanta ny tondrozotra. Io mantsy ny fepetra sisa nandrasana ahafahana mamoaka azy ireo araka ny nambaran’ny minisitry ny fitsarana raha nihaona tamin’ny fianakavian’ireo voafonja politika ny tenany. Nanambara anefa ny praiminisitra Beriziky Omer ny sabotsy 18 desambra lasa teo nandritra ny fambolen-kazo nanokafana ny taom-pambolena fa mbola sarotra ny manatanteraka izany ankehitriny kanefa efa mitady ny fomba rehetra ny governemanta hametrahana ny fitoniana ara-politika.

Ry Ralitera Andrianandraina kosa anefa nanamafy, nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety teny Faravohitra ny sabotsy teo, fa tomponandraikitra amin’izay fipoahana ara-tsosialy mety hiseho ny FAT raha sanatria tsy tanteraka araka ny fe-potoana napetrany ny fitakiany. Manainga ireo minisitra, CST sy CT handray andraikitra koa ny tenany, izay nanamafy tamin’ny teny hentitra fa tsy hanaiky intsony, fa efa feno ny kapoaka. Ankoatra izay dia namoaka dosie mikasika ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana koa ry Ralitera, ka nilazan’izy ireo fa efa tamin’ny 1992 ny ankamaroan’ireo mpikambana ao no tao. Ireo no nanongana an-dRatsiraka, Zafy ary Ravalomanana, ary ireo no tokony hanongana an-dRajoelina raha ny fiheveran’izy ireo.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT