Politique

Gadra miaramila Tsy maintsy hatao «résidence surveillée» avokoa


  • Alakamisy 26 Janoary 2012

Araka ny loharanom-baovao dia tsy manaiky ny famindran-toerana ireo gadra politika ireo any amin'ny fonja hafa ireo fianakaviany.

 Omaly dia nisy tamin'izy ireo no nampiaka-peo sahady ary nilaza fa hiditra amin'ny sehatra ambonimbony kokoa amin'ny fametrahana fitarainana. Fantatra ihany koa fa tsy hijanona amin'izao ireo minisitra avy amin'ny firehana roa ao anatin'ilay komity manokana najoro eo anivon'ny mpikambana ao amin'ny governemanta mandinika ny fampiharana ny tondrozotra. Ny teo anivon'ny ministeran'ny Fitsarana ihany koa tamin'ny alalan'ny minisitra dia efa nilaza fa fepetra vonjimaika ihany izao ampiharina amin'ireo miaramila ireo izao. Mbola eo am-pikarohana toerana mantsy ity ministera ity araka ny tsiliantsofina. Na izany aza, mila mailo ihany ireo izay voakasika amin'ity raharaha ity sao ka io fepetra io no ilazana fa fampiharana ny tondrozotra indray. Na ny fametrahana ireo gadra politika ireo amin'ny toerana manokana izany aza dia efa fandikana ny tondrozotra. Ho hita eo ny tohiny.
Solo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT