Politique

Gadra miaramila Kasaina hosarahin-toerana


  • Alatsinainy 23 Janoary 2012

Arivonimamo, Antsiranana, Toliara, Ambatolampy na Antsirabe. Ireo no fantatra fa fonja saika hamindran-toerana azy 34 lahy, gadra politika miaramila.

 Araka ny loharanom-baovao dia ny zoma 20 janoary nialoha indrindra ny andro voatondro hahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana no saika hanatanterahana io famindran-toerana io. Araka ny loharanom-baovao dia nisy ny alakamisy 19 janoary ny fivoriana nataon’ireo minisitra voakasika manokana amin’ity raharaha ity, niaraka tamina tompon’andraikitra eo anivon’ny fitsarana eto Antananarivo, nanapahana io famindran-toerana io. Ireo gadra politika sivily ambiny tany am-ponja, niisa fito, anefa no navoaka io zoma io, fa tsy tanteraka indray ilay famindran-toerana. Hatreto tsy fantatra ny antony.

Fa ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe misy amin’ireo miaramila io iray dosie amin’ireo gadra politika sivily navoaka ny fonja, nefa iretsy voalohany tavela any. Inona no antony ? Fa ny manaitra dia tsy mampiraika ary toa tsy maha saropiaro ireo rahalahiny eo anivon’ny foloalindahy ny manjo ireto namany any am-ponja ireto. Ny teo anivon’ny Polisy anefa, n’inona n’inona zava-misy, dia naneho firaisankina ny fianakaviamben’ny polisy raha nisy nanjo ireo namany, mahakasika ny raharaha Toliara io, fa ny an’ny miaramila nangina. Rava ny firaisankina, tsy arakaraka ilay lokaloka taorian’ny nahavitan’ny “Assise militaire” teny Ivato tamin’ny 2009. Andrasana izay ho fivoaran’ny raharaha.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT