Politique

Gaby Vakiniadiana sy ny Vami Manameloka ny asa fampihorohoroana teny Mahamasina


  • Alarobia 29 Jona 2016

Manamekola tanteraka ny asa fampihorohoroana toy ny niseho tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina nandritra ny lanonana fankalazana

ny faha-56 taona ny fetim-pirenena malagasy ka nahafatesana olona 2 sy nandratrana olona maro, mitady hahazo vahana eto amintsika ny tenako Gaby Vakiniadiana sy ny fikambanana Vami misy  ny tenako, hoy i Gaby Vakiniadiana Sekretera Jeneralin’ity fikambanana ity. « Satria tsy mbola fantatra mazava izay nahavanona ny loza koa dia mitaky ny hanafainganana ny fanadihadiana lalina mikasika iny toe-draharaha iny izahay. Na dia maro aza ny tombantombana miely etsy sy eroa dia tsy mbola afaka manameloka na iza na iza aloha isika hatramin’izao fa ny mahagaga fotsiny dia ny hoe tena navaivay ny fisavana ny olon-drehetra niditra tetsy Mahamasina tamin’io andron’ny 26 jona io ary nampiasana milina arifomba mihitsy nitiliana izay zavatra nentin’ny tsirairay, nefa mbola tafiditra tao an-toerana ihany ny fitaovam-piadiana nisy nanapoaka tamin’iny fotoana iny ».

Ntsoavina Evariste


 

                                                                                                                               

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Eric Randrianaivo
  • Zoma 30 Oktobra 2026

«Hiverina indray ny krizy

  • Bien Aimé
  • Zoma 30 Oktobra 2026

Randrianantenaina

  • Noho ny fiaraha-miasa
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

amin’ny Rosianina

  • Elia Rabevahiny
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Andao re irosoana

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT