Manamekola tanteraka ny asa fampihorohoroana toy ny niseho tetsy amin’ny kianjan’i Mahamasina nandritra ny lanonana fankalazana ny
faha-56 taona ny fetim-pirenena malagasy ka nahafatesana olona 2 sy nandratrana olona maro, mitady hahazo vahana eto amintsika ny tenako Gaby Vakiniadiana sy ny fikambanana Vami misy ny tenako, hoy i Gaby Vakiniadiana Sekretera Jeneralin’ity fikambanana ity. « Satria tsy mbola fantatra mazava izay nahavanona ny loza koa dia mitaky ny hanafainganana ny fanadihadiana lalina mikasika iny toe-draharaha iny izahay. Na dia maro aza ny tombantombana miely etsy sy eroa dia tsy mbola afaka manameloka na iza na iza aloha isika hatramin’izao fa ny mahagaga fotsiny dia ny hoe tena navaivay ny fisavana ny olon-drehetra niditra tetsy Mahamasina tamin’io andron’ny 26 jona io ary nampiasana milina arifomba mihitsy nitiliana izay zavatra nentin’ny tsirairay, nefa mbola tafiditra tao an-toerana ihany ny fitaovam-piadiana nisy nanapoaka tamin’iny fotoana iny ».
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.