Hita fa tsy mety mihitsy ny zava-misy eto Madagasikara ankehitriny ka tena mila ny fodian’ny filoha Marc Ravalomanana izany. Izay no anisan’ny fanambaran’ny FVOTM (Fikambanan’ny Vondron’Olon-Tsotra Miray) nosoloin’ny Sekretera jeneraliny, Atoa Andriantoandro Rodolphe.
Tena tsy milamina ny tany, hoy izy. Ho anay dia tsy misy afa tsy io fodian’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana io, ary tsy misy fepetra, no ahafahana manitsy izany. Izahay koa, hoy ihany ity mpitarika ny FVOTM ity, dia manameloka ny fihetsika nataon’ny miaramila mpitandro ny filaminana eto Madagasikara tao ho ao izahay. Singanina amin’ireny izay nahazo an-dRtoa Lalao Rakotonirainy vadin’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny vinantovaviny teny an-tseranam-piaramanidina Ivato ny zoma 27 jolay teo ary vao ny talata 31 jolay ny fitifirana baomba lakrimozena sy fanenjehana amin’ny fitaovam-piadiana ny mpianatr’Ankatso nitaky ny zony. Filaminana inona no hita amin’izany ? hoy ry zareo FVOTM, nefa ankehitriny dia efa voizina sahady ny resaka fifidianana. Aminay, hoy Atoa Andriantoandro Rodolphe, raha tsy hampiharina ara-bakiteny ny voalazan’ny tondrozotra tsy mbola misy tokony hiresahana izany datim-pifidianana izany mihitsy fa fandaniam-bola fotsiny izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.