« Tsy hisy fitoniana politika mety hateraky ny fihaonana eo amin’Atoa Ravalomanana sy Rajoelina izany mihitsy eto, noho ny hevitra tena mifanipaka sy valifaty misy eo amin’ny ekipan’ny FAT ».
Io no nambaran’ny filohan’ny fikambanana « GAJEB » (Groupement et Association des Jeunes Betsimisaraka) tamin’ny mpanao gazety ny alahady teo, tao Ankirihiry trano fonenany. Midika izany fa mitazona ny fomba fijeriny hatramin’izay hatrany Atoa Fulgence izay mpikamban’ny vovonan’ny Arema no filoha mpitarika ny fikambanana GAJEB. Ny fihaonana eo amin’izy efa-dahy mianaka, izany hoe Ratsiraka, Rajoelina, Zafy, ary Ravalomanana ihany no vahaolana hivoahana amin’izao krizy efa hananiky ny faha-04 taonany izao. « Samy manana ny mpanara-dia azy daholo mantsy izy efa-dahy ireo ary samy mahasolontena tanteraka ny vahoaka Malagasy ihany koa », hoy hatrany Atoa Fulgence. Koa manao antso avo ny tenany fa tokony ho tonga saina ny manao politika rehetra satria latsaka an-katerana ny firenena ary efa tena anatin’ny lavaka im-pito mandifotra olona amin’ny fahantrana ny malagasy. Tsy fotoanan’ny fandrangitana izao fa efa fitadiavam-bahaolana, ary vahaolana maharitra sy haingana no ilaina.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.