Vahiny hisokela anio ny Praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy fanajariana ny tany (VPDAT), Andrianainarivelo Hajo. Voatonona amin’ireo raharaha mafana maro ny anarany. Tsy vitsy rahateo ireo mpanao politika na ao anatin’ny fitondrana aza no manana olana aminy. Ao anatin’ity resadresaka ity no hamaliany ireo fanontaniana napetraka taminy.
Tia Tanindrazana (T.T) : Tsy mifanitsaka andraikitra ve ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana sy ny fiadidiana ny praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy fanajariana ny tany tantananao ?
Andrianainarivelo Hajo (A.H) : Tsy mifanitsaka fa mifameno ireo. Manohana ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana amin’ny alalan’ny famatsiana sy ny famolavolana ny lalàna momba ny fitantanana ny Kaominina sy ny Faritra ary ny Faritany ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana. Misahana ny fampandrosoana sy izay tetikasa fampandrosoana amboniny mety ilain’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana kosa ny ministera tantaniko. Mifampiankina ny asa satria raha misy izao Kaominina mangataka tetikasa na famatsiam-bola aminay dia tsy maintsy mijery amin’ny ministeran’ny fitsinjaram-pahefana aloha izahay raha mahafeno ny fepetra ilay Kaominina vao mahazo. Ankoatra izay dia ny VPDAT no miandraikitra ny drafitra fanajariana ny tany. Eo ambany fiahian’ny VPDAT koa ny resaka lafitany miaraka amin’ny fananantany
T.T : Aiza ho aiza izao ny fanatanterahana Trano Mora? Nahoana no tsy mbola manomboka ny ao Antsirabe sy Mahajanga ?
A.H : Efa manakaiky ny farany isika izao . Ho an’Antananarivo dia efa voaray ny trano 60 eny Anosiala raha mbola eo ampamitana kosa ny 100. Misy fahatarana kely ny asa noho ny rivodoza farany eto. Ny any Mahajanga ihany izao no tsy mbola manomboka mihitsy satria tsy azo terena ny mponina. Tsy tanim-panjakana tsotra ilay saika hanaovana fanorenana any fa fananan’ny SEIMAD ary efa nisy ny famindran-toerana ireo olona nonina tamin’ilay tany kanefa nisy fanakanana. Miavaka koa ny ao Antsirabe satria tsy tena “Trano Mora” no hatsangana any fa “logement des cadres”. Fanorenana efa nataon’ny SEIMAD izay tompon’ny tany ireo no tsy tontosa ka izao vitaina izao. Efa miditra amin’ny dingana faharoa izao ny asa. Marihina fa mihoatra noho ny vina ny fandaniana amin’ny tetikasa satria lafo dia lafo ny fanatsarana ny ivelan’ireo trano.
T.T : Tena manaraka ny fenitra fananganana trano ve ny Trano Mora satria raha ny teny Ambohidratrimo dia nisy ireo lasan’ny rivotra?
A.H : Fanorenana manara-penitra ireo. Trano mbola teo am-pananganana anie ireny nisy lasan’ny rivotra ireny noho ny rivodoza fa tsy nisy fahasimbana mihitsy kosa ireo efa vita.
T.T :
A.H : Raha ny eto
T.T : Tsy manaiky ny famindran’ny ministera tantaninao ny fanatobiana ny fakon’Antananarivo ao Antsahamarofoza Ilafy ny mponina ao an-toerana. Toa tsy misy akory hono fakana ny hevitr’izy ireo fa terana fotsiny?
A.H : Mbola fitsirihana no natao fa tsy hoe efa tetikasa raikitra akory. Toerana telo dia Avarabohitra Anosiala, Antsahamarofoza Ilafy ary koa Ambohipamonjy Ampitatafika no namoahana “arreté de gel” izany hoe tsy misy olon-kafa afaka mangataka tany intsony. Hatreo ihany ny dingana vita hatramin’izao.
T.T: Ankoatra ny raharaha Radio Fahazavana dia nisy farany teo fanesoran’ny VPDAT ny orinasa
A.H: Mpino Fjkm aho ka tsy hanao izany mihitsy. Io tany eny Soanierana io dia nomen’ny fanjakana tamin’izany fotoana ny Fjkm amin’ny vidiny iray farantsa ho fanatanterahana ny MAP eo amin’ny lafiny serasera. Ny 09 mey 2008 no natao ny fifampivarotana saingy tsy voahaja anefa izay satria Karana indray no lasa nanofa ilay tany. Karazany natao takalo tamin’ny nividian-dRavalomanana Josoa ny fananan’ny Fjkm antsoina hoe “Hartley” izy io. Efa nilaza tamin’ny Sekretera jeneralin’ny Fjkm aho tamin’ny taona 2009 fa tsy mety ilay fifanarahana ka nandroso hevitra azy aho hamerina ny volan’ny fianakaviana Ravalomanana. Nilaza anefa izy fa hampandehanana ny Oniversite Fjkm ilay vola vidin’ny tany. Hialana amin’izay indrindra no nahatonga ny ministera notantaniko namatsy ara-pitaovana mitentina 200 tapitrisa Ariary ilay oniversite. Momba ny tany eny Soanierana dia afaka niady ny fjkm manoloana ny fakan’ny fanjakana ny tany rehefa nofoanana ilay fifampivarotana taminy sy ny Fjkm saingy tsy namaly mihitsy ry zareo. Amin’ny maha mpitondra ahy dia manana adidy aho hiaro ny fananam-panjakana
T.T: Misy amin’ireo mpanao politika iray ankolafy aminao milaza fa isany nanondranana “bois de rose” tany Maorisy ianao?
A.H: Rehefa izaho no manakana azy dia lazaina fa izaho no manao azy. Na ny ankolafy manohana ny fitondrana na ny mpanohitra dia samy misy manondrana “bois de rose” antsokosoko avokoa. Samy misy na ao amin’ny CT na ao amin’ny CST. Mihatsara ivelatsihy aho raha milaza fa tsy mahafantatra ny mpanao azy satria
T.T : Mahafantatra ny fandrobana ny harem-pirenena ianao nefa manipy andraikitra any amin’ny fitsarana. Aiza ilay fiovana nimatimatesana?
A.H : Raha izay mahakasika ahy aloha dia tena tanterahiko io fanovana io.
T.T : Ampangain’ny Free FM ho naniraka “gros bras” nanakorontana koa ianao tamin’ny hetsika ny sabotsy 19 mey teo?
A.H : Maro tokoa ny resaka atao momba ahy amin’io raharaha io. Teo aloha dia lazaina fa izaho no mpamatsy vola ny Free FM, izao indray dia ampangaina ho naniraka “gros bras” ho nanakorontana teny Ambohijatovo aho. Efa nanao fanambarana anie ireo ambara fa “gros bras” ireo momba an’izany fanasoketana azy ireo izany e. Mety ho tsy nahazaka olona teny angamba ny sasany satria efa nisy ny fanambazana vola teny ambany tanàna teny talohan’ny tamin’ny sabotsy ireny ka mitady olona hatao tomponandraikitra.
T.T : Tezitra mafy aminao koa ny
A.H :
T.T : Efa niasa tao amin’ny orinasa TIKO ianao taloha. Misy no milaza fa valifaty amin-dRavalomanana no ataonao amin’izao?
A.H: Efa nitantanana ny TIKO tao Andranomanelatra tokoa aho saingy tsy nesorina aho tao na noroahana fa nametra-pialana. Atoa Marc Ravalomanana aza anie mbola niantso ahy hanampy azy rehefa Ben’ny tanàna izy satria izaho efa nanana traikefa tamin’ny fitantanana Kaominina amin’ny
T.T : Inona no tarigetranao ara-politika izao satria efa Ben’ny tanàna ianao, efa minisitra ary praiminisitra lefitra izao ?
A.H : Resy lahatra aho fa azo atao ny mampandroso an’i Madagasikara. Ho hita eo izay fifidianana handraisako anjara fa tsy maintsy hiatrika fifidianana aho amin’ny maha mpanao politika ahy.
T.T : Teninao farany ary?
A.H : Mila mahatsapa ny Malagasy fa isika ihany no mahatafita ny firenentsika. Raha tsy resy lahatra amin’izay isika dia tsy handroso mihitsy. Araka ny efa nolazaiko teo koa dia azo atao ny mampandroso an’i Madagasikara. Efa tsy nanao politika intsony aho raha nihevitra fa tapi-dalan-kaleha isika.
Nangonin’i Yves
Sary : Hajo Andrianainarivelo, Praiminisitra lefitra misahana ny fampandrosoana sy ny fanajariana ny tany
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.