Atomotra ny fifidianana, ka samy manana ny kajiny ny mpanao politika, ary efa tafiditra ao anatin’izany io resaka gafy sy antsojay ataon’ny fanjakana HVM io.
Na inona na inona anefa mety ho kajikajy politika eo, dia tsy azo tsy iadian-kevitra, fa efa manomana ny olony ihany koa ny Frantsay sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena. Mety ho olom-baovao mihitsy no harotsaka eo, fa tsy amin’ireo kandida sokajiana ho “favoris”. Fomba fiadin’ny mpitondra rehefa te hampitony ny vahoaka, ny manao izay hahavoky azy lalandava, dia milamina, na koa atao maty noana dia tsy afa-mikofoka. Io fahaharoa io ny zava-misy izao. Etsy andaniny, ny antontan’isa miiba rehetra, toy ny fidangan’ny tahan’ny kolikoly hatramin’ny nitondran’ny fanjakana ankehitriny satria very laharana 33 isika tao anatin’ny 5 taona, ka any amin’ny faha-155 amin’ny 180 ankehitriny. Toy izany ny resaka fakana an-keriny, ka ireo vahiny mitazona sy mifehy ny toe-karena eto no tena lasibatra, ary efa hatrany amin’ny 90 no niharan’io nanomboka ny 2017. Tsy maintsy mijery izany ny vahiny, izay mitady izay olona tohanany, ka somary manana herijika ilay sokajiana ho olom-baovao, rehefa variana mifanimba ireo sokajiana ho efa galy fantsy somary sarotra fehezina, saingy mbola afaka mifandresy lahatra. Malemy ny Malagasy, ary fomban’ny vahoaka kivy sy reraka ny mitady Mesia lalandava hanavotra azy, izay mety ho tombondahiny ho an’ny olom-baovao. Tsy izay milaza ho olom-baovao no ho lasa eo, fa izay atosiky ny fianakaviam-be iraisam-pirenena sy ny Frantsay, izay tsy mbola mety tapaka aloha ny fatorana na ara-tantara, ara-politika, ara-toekarana,…nanomboka tamin’ny fanjanahantany. Karazan’ny efa mibaribary, fa tsy ny HVM no hatosika eo raha ny kapoka ankolaka ataon’I Lafrantsa azy, toy ny tsy nanomezana ny vola nampanantenaina 10,6 miliara dolara, ny tsy firarahiana ny raharaha Houcine Arfa. Mbola manana herijika hifandresy lahatra kosa ireo kandida hafa. Ny ilaina tsaroana mandrakariva dia ny hoe : mahay mifanaraka sy mifampiresaka ny firenen-dehibe na Frantsay, na Amerikanina, na Rosianina,…eny fa na ny sinoa aza, ary io ilay antsoina hoe vazaha mody miady.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.