« Mino isika fa ho tanteraka eto Antananarivo renivohitr’i Madagasikara ny fihaonana an-tampon’ny Francophonie hatao ny 26 sy ny 27 novambara ho avy izao ».
Nivoitra io nandritra ny fihaonana teo amin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo, Lalao Ravalomanana, tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny Frankôfônia, Michaelle Jean, omaly antoandro tao amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely.
« Tombontsoa lehibe ho an’i Madagasikara sy Antananarivo ny fandraisana io fihaonana an-tampony io », hoy Rtoa Michaelle Jean satria firenena miisa 80 no ho tonga eto Madagasikara, mandritra ny roa taona koa avy eo dia i Madagasikara no ho filohan’ny Frankôfônia, ka ho afaka hitondra ny fahitany ny fampivoarana eto amin’izao tontolo izao. Ny Frankôfônia dia fifampizarana traikefa sy ny fahaiza-manao, fanampiana ireo mpandraharaha, fanampiana ny tanora indrindra indrindra ihany koa, hoy izy.
Matotra ny fiaraha-miasa eo amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny Frankôfônia, hoy kosa ny Ben’ny tanàna, Lalao Ravalomanana, amin’ny ho fandraisana io fivoriambe iraisam-pirenena io ka anio ihany dia efa hisy ny dinik’asa eo amin’ny fiadidiana ny tanàna sy ny avy amin’ny delege jeneralin’ny Frankôfônia eto an-toerana. Ilaina foana ny fiaraha-miasa, hoy ny ben’ny tanàna.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.